Archives quotidiennes: 15 septembre 2018
Andry RAJOELINA tany Paris : naneho ny fahavononany hanaja ny Demokrasia
Naneho ny fahavononany hanajana sy hapanjaka ny demokrasia ny filoha mpanorina ny IEM Andry RAJOELINA raha izy no safidian'ny vahoaka hitantana an'i Madagasikara mandritra ny 5 taona manaraka. Izay no nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra niarahany tamin'ny l’Association Sciences pô pour l’Afrique notanterahina tany Paris.
Fanarahamaso sy fitsirihana ataon’ny OIF : tsy hisy fiantraikany amin’ny lisi-pifidianana
Tsy hisy fiantraikany amin’ny lisi-pifidianana sy ny fanatanterahana ny fifidianana filohampirenena ho avy izao ny fanarahamaso sy ny fitsirihana ataon’ny OIF eto madagasikara. Araka ny lalàna, ny faha-15 aprily lasa teo no efa nikatona ny lisi-pifidianana. Tsy misy azo kitihina intsony ny momba ny lisi-pifidianana taorian’izay raha ny fanazavana.
Fihaonana Chine – Afrique farany : hitondra inona ho an’i Madagasikara ?
Fifanekem-piaraha miasa miisa 4 no vokatry ny dian’ny Filohampirenena teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery tany Chine nandritra ny fihaonana Chine - Afrique, izay nitondrana delegasiona marobe. Fifanekem-piaraha miasa izay nosiniavina andro vitsy monja mialohan’ny fotoana tsy maintsy nametraham-pialana.
MEEF sy USAID : hanampy ny vondron’olona eny ifotony hitantana ny harena voajanahary
Nampahafantarina androany ny tetikasa USAID Hay Tao sy ny USAID Mikajy hanampy amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fandrindrana ary ny fampandrosoana ny vondron’olona eny ifotony eto Madagasikara. Aharitra 5 taona ny tetikasa ka faritra 2 tandindonindoza amin’ny fahasimban’ny valanjavaboahary no anombohana izany raha ny fanazavana.