dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 novembre 2018

Daewoo Logistics Corporation : tany mirefy 1 330 085 Ha no nomena azy tamin’ny 2008

0
Maro ireo ambara ho « Grand Dossier » miparitaka ankehitriny amin’izao vanim-potoan’ny fifidianana Filohampirenena izao. Isan’izany ny famarotana sy fanomezana tany ny MADAGASCAR FUTURE ENTREPRISES, izay fantatry ny maro amin’ny hoe : « DAEWOO LOGISTCS CORPORATION », izay nahatratra hatrany amin’ny DIMY AMBY VALOPOLO SY TELO ALINA SY TELO HETSY SY IRAY TAPITRISA Hektara (1 330 085 Ha) tamin’ny taona 2008.

Lalana Tsarasaotra Ivato : vola be no lany tamin’ny fanamboarana izany

0
Notokanana fanindroany androany ny lalalana Tsarasaotra – Ivato. Lalana izay mirefy 11 km. Lalana izay tsy mifanaraka amin’ny totalin’ny volabe notrosaina ny kalitaony. Lalana ihany koa izay atao fitaovana politika mandraka androany.

Concours ENMG : nofoanana tanteraka hoy ny minisitry ny Fitsarana

0
Nofoanana tanteraka ny fifaninanana hiditra ho mpitsara sy mpirakidraharaha farany teo hoy ny minisitry ny fitsarana nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety. Efa vita ny fanadihadiana teo anivon'ny ministera, ary miandry ny any amin'ny Bianco sy ny PAC na ny Pole Anti-Corruption. Voaporofo fa nisy ny kolikoly sy ny tsy fetezana teo amin'ny fikarakarana ny fifaninanana.

Vahoakan’Ankadinandriana : resy lahatra amin’ny kandida laharana faha-13, Andry RAJOELINA

0
Resy lahatra ny vahoaka ao amin'ny kaominina Ankadinandriana fa hifidy ny kandida laharana faha-13. Ny fahatanorany, ny fahamatorany, ny efa zava-bitan'i Andry RAJOELINA teto amin'ny firenena, ireo no antony mahatonga ny vahoakan'Ankadinandriana hisafidy ny kandida laharana faha-13 amin'ny 7 novambra izao.