dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 novembre 2018

1 Novambra : fetin’ny Olo-masina rehetra

0
Fetin'ny olomasina rehetra ny voalohan'ny volana novambra izay afangaron'ny ankamaroan'ny olona amin'ny fetin'ny maty. Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ary andro voadidy hohamasinina ho an'ny krisitianina Katolika. Araka izany, nisy ny lamesa fankalazana izany tamin'ireo fiangonana katolika manerana izao tontolo izao.

1 Novambra : ireo voninkazo natoraly no be mpividy

0
Ireo voninkazo natoraly no be mpividy eny amin'ny mpivarotra amin'izao voalohan'ny volana Novambra izao. Antony, tsy mijanona 24 ora eny am-pasana akory ireo voninkazo artifisialy dia misy maka ary misy mivarotra eny an-tsena indray. Efa nisy ny fepetra noraisina manoloana izany hoy ireo mpiandry fasana eny Anjanahary.

ERNAIVO Fanirisoa : naaton’ny ministeran’ny Fitsarana

0
Naato amin'ny asany, amin'ny maha mpitsara azy ny kandidà ERNAIVO Fanirisoa raha ny fanambarana navokan'ny eo anivon'ny fitsarana. Tetsy ankilany namoka fanambarana ihany koa ny eo anivon'ny polisim-pirenena ary manameloka taorian'ny fanambarana nataon'ity kandidà ity.

Zotra D : nihatra nanomboka androany ny fampiakarana ny saran-dalana

0
Nihatra nanomboka omaly Alarobia faha-31 octobra, araka ny efa voalaza ny fampiharana ny saran-dalàna amin'ny Zotra D eto Antananarivo renivohitra. 600 Ariary ny Ivato - Antananarivo ary 800 Ariary ny Anosiala - Antananarivo. Fampiatoana amin'ny asa mandritra ny 15 andro ary esorina aminy ny fahazoan-dalana hamily ho an'ireo izay tratra mihodina an-dalana.