dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 20 novembre 2018

Andry Rajoelina : tsy mitombina ny vokatra navoakan’ny CENI

0
Nivoaka tamin'ny fahanginany ny kandidà Andry Rajoelina io omaly hariva io taorian'ny nivoahan'ny voka-pifidianana vonjimaika. Tsy mitombina ny vokatra navoakan'ny CENI, hoy ity kandidà laharana faha 13 ity. Matoky ny fahendren'ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana anefa ity farany manoloana ny famoahana ny vokatra ofisialy.

Sekolim-panjakana : androany ny fidirana ofisialy

0
Hizara 5 mazava ny fotoam-mpianarana ho an’ny mpianatra eny anvion’ny sekolim-panjakana main’ity taompianarana izay nanomboka omaly ity. Hifarana kosa izany any amin’ny volana aogositra taona 2019. Ho an’ny sekoly nanaovana fanadihadiana androany, nisy ny tsy fahatomombanana teo amin’izay fidiran’ny mpianatra izay

Tranon’ny FJKM eny Faravohitra lasan’ny Ravalomanana Marc : mifanilika ny tomponandraikitry ny FJKM

0
Mifanilika andraikitra ny eo anivon'ny foibe FJKM momba ilay tranon'ny FJKM ampiasain'ny MBS eny Faravohitra. Namidin'ny FJKM tamin'ny filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc tamin’ny taona 2008 ity trano ity. Inona no takalony ? Tsy nisy afaka nanome fanazavana momba ny takalony ireo tomponandraikitra eo anivon’ny FJKM nanaovana fanadihadiana tamin'ity androany ity.

Tanin’ny ministeran’ny fambolena eny Ambatobe : namidy tamin’ny vahiny?

0
Namidina tomponandraikitra eo anivon'ny ministeran'ny fambolena tamin'ny vahiny ny toerana fanaovan'ireo mpianatra ho injeniera pratika eny Ambatobe raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpiasa. Tamin'ny 2017 no lafo ary hiroso amin'ny fanorenana ireo vahiny raha ny fanazavana.