dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 novembre 2018

Kaominina Jafaro – Ambovombe Androy : notambazana 2 hetsy Ariary, izay nampandany ny HVM

0
Ny ampahany amin'ny zava-nitranga tao amin'ny Kaominina Jafaro nandritra ny fifidianana ho hiloham-pirenena, ny faha 7 ny volana Novambra lasa teo no harahinao ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity. Ny Kaominina Jafaro izay nahitana fanambazana vola sy hala-bato goavana niainga avy any amin'ny lisi-pifidianana.

Tonga eny amin’ny Antenimierampirenena : taratasy fitoriana mpitondra ambony avy amin’ny HCJ

0
Taratasy fitoriana mpitondra ambony miisa 3 ( Filohampirenena teo aloha miisa 2 sy Praiminisitra teo aloha iray) avy amin’ny HCJ na Haute Cour de justice no tonga eny amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, antony izay tsy maintsy nananganana ny « Commission d’enquêtes » sy « Commission de requêtes » afak’omaly.

Kitrotro : tokony atao vakisiny ny zaza ho fisorohana

0
Ny tsy fanaovana ny vakisiny eo amin’ny faha 9 volan’ny zaza iray. Antony voalohany mamparefo azy ary ahazoany ny aretina kitrotro. Nanamafy androany ny mpitsabo fa ireo rehetra efa vita vakisiny dia tsy tokony ho voan’ny kitrotro intsony . Tsy fantatra mazava hatreto ny isan’ireo matin’ny kitrotro raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.

Fikasana hampody mpiasan’ny ambasady : maro no manahy ny mety ho hambadik’izay

0
Ahiana ho misy ambadika hafa ny fikasana hampodiana ireo mpiasan’ny ambasady Malagasy any ivelany miisa 60, araka ny fanehoan-kevitry ny manampahaizana momban’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Afaka mitsipaka io mandritry ny filankevitry ny minisitra ny praiminisitra.