dimanche 19 mai 2024
Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

Ambatobe sy Tsarasaotra : toerana 2 no nanatanterahana « scellage »

0
Toerana 2 androany no nogeazina na nanaovan'ny teo anivon'ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy scellage, ny tetsy Ambatobe misy ireo Arboretum, sy ny tany misy fanotofana tsy ara-dalàna etsy Tsarasaotra. Tamin'ny alalàn'ny didy maneho ny fampiharana ny fanageazana nivoaka ny taona 2017 no nantanterahana izany androany.

Mponin’Antananarivo : mikaikaika amin’ny fahatapahan’ny ranon’ny JIRAMA

0
Mitohy ary mihamafy ny fahatapahan'ny rano fisotro madio eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao fotoana izao. Ambondrona, Avarabohitra, Antamboholava, Ambohibao, Ankadindravola, isan'ireo mikaikaika amin'ny fahatapahan'ny rano vokarin'ny orinasa Jirama.

Raharaha ENMG : natolotra ny PAC ireo olona 3 voakasika mivantana

0
Herintaona aty aorian'ny nandorana ireo taratasim-panadinana, notanana ho porofona trangana kolikoly teny amin'ny ENMG, niroso tamin'ny fakana am-bavany ireo olona voakasik'izany ny tomponandraikitra. Olona 3 no voakasik'izany mivantana raha ny nambaran'ny BIANCO.

Toamasina: tonga ny vary mora 16 500T nampanatenain’ny filoha

0
Tonga ny tolakandro teo tao amin’ny seranantsambon’i Tomasina ny vary mora 16 500 taonina haparitaka manerana ny nosy. Hisy ankilany raha ny nambaran’ny filohan’ny repoblika ny fanajariana ny moron-dranomasin’i Toamasina sy ny fanamboarana autoroute tsy ho ela.

Fady : nentina nanabe ny fiarahamonina

0
Fanabeazana ny fiarahamonina hitandro ny hasin’ny toerana na zavatra iray ny fady. Fanarahana tsy araka ny tokony ho izy ny rivotra entin’ny fanatontolloana sy ny fandrosoana no anisan’ny antony tsy mahavoahaja ny fady intsony ankehitriny raha ny fanadihadiana natao.

Ady amin’ny dahalo : miaramila 300 no hihazo ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy.

0
Miaramila 300 novatsiana fitaovana sy fiarovana no niainga androany teto Antananarivo renivohitra hihazo ny faritra avaratra andrefan'ny Nosy. Hanatevin-daharanaireo mpitandro filaminana efa misy any an-toerana izy ireo ary hampandry fahalemana ny faritra.

Tatouage : mahavelona raha manaraka ny fenitra takiana.

0
Mahavelona ny fanaovana tatoauge raha manaraka ny fenitra takiana hoy i RASOLOFONDRAIBE Jeanny mpanakanto nanaovana fanadihadiana. Efa maro ihany koa ny tanora liana amin'izany eto Madagasikara raha ny fanazavana.

Vehivavy manana fahasembanana : toy ny vehivavy rehetra

0
Manana ny fahafahana toy ny vehivavy rehetra ireo vehivavy manana fahasembanana. Isan’izany ny fiterahana sy ny adidy amin’ny fitaizana. Izay no namafisin’ny filohan’ny tambazotran’ny vehivavy manana fahasembanana androany nandritra ny fanamarihan’izy ireo ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy.

Andry RAJOELINA :  hatsangana ao Moranga ny « Parc Industiel »

0
Ny hariva teo no nigadona tey amin'ny seranam-piaramanidina Ivato n filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina. Nandritra ny valandresaka nifanaovana tamin'ny mpanao gazety no nanamafisany mahasika ny fananganana ny Parc Indutriel ao Moramanga. Tsy maintsy atao ihany koa ny hamerenana an'i Madagasikara ho Nosy maitso ato anatin'ny dimy taona.

Fanorenana tsy ara-dalàna : nandefasana taratasy fampitsaharana ny asa

0
Toerana maro misy fanorenana tsy ara-dalàna eto an-drenivohitra no namoahan'ny teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy "notification de scellage", na fanakantonana sy fampitsaharana ny asa rehetra. Isan'izany ny fotodrafitr'asa eny amin'ny Arboretum Ambatobe, EPP Nanisana sy ny maro hafa.