Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

« Indice de démocratie » : mihatsara ny naoty azon’i Madagasikara

0
Mihatsara ny naoty azon'i Madagasikara eo amin'ny "indice de démocratie" mihoatra ireo firenena 167 manerana izao tontolo izao. Efa tsara ny vokatra saingy azo atao ny mandroso hatrany, hoy ireo mpisehatra politika.

Vidin’ny harina fandrehitra : mifanakaiky amin’ny akora fandrehitra hafa

0
Tsy mifanalavitra amin’ny fampiasaina loharanon’angovo sy akora fandrehitra hafa ny fandanian’ny tokantrano mampiasa harina fandrehitra. Manodidina ny 2 arivo Ariary isam-bola ny elanelan’ny vola mivoaka amin’ny tokantrano 2 mampiasa akora fandrehitra samy hafa raha ny fanadihadiana.

Haino aman-jery tsy manara-dalàna : handraisana fepetra

0
Handraisan'ny eo anivon'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina fepetra avokoa ireo haino aman-jery tsy manara-dalàna araka ny nambaran'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy androany. Hisy mialohan'izay raha ny fanazavana ny fanomezana fe-potoana hahafahan'ireo tompona haino aman-jery voakasika, hampanara-dalàna ny atonta-taratasiny.

Fifidianana Solombavambahoaka : Ambatondrazaka no be kandidà indrindra

0
Ny fari-pifidianan’Ambatondrazaka sy Mahajanga Voalohany no maro indrindra ireo kandidà nirotsaka ho fidiana Solombavambahoaka. Mahatratra 19 izany ho an’Ambatondrazaka ary 15 kosa ho an’i Mahajanga Voalohany.

Slalom 2è édition Wynn’s : tontosaina ny 23 sy 24 Martsa izao

0
Fanokafana ny fotoam-pilalaovana sport auto miaraka amin’ny Club TMF Rallye . Tontosaina ny faran’ny herinandro izao ny andiany faharoa amin’ny Slalom Wynn’s eny Ivato.

Firotsahana kandidà Solombavambahoaka : 803 tamin’ny 862 no notanana

0
Taratasy firotsahana ho kandidà Solombavambahaoaka miisa 803 tamin’ireo 862 voaray teny amin’ny OVEC 119 manerana ny Nosy no nambaran’ny CENI fa azo raisina androany teny Nanisana.

Fandraisana mpiasam-panjakana : tsy maintsy amin’ny alalan’ny fifaninana

0
Nampiatoana nandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandraisana mpiasa tsy raikitra na ny ECD sy ny EFA. Tsy hisy intsony manombok’izao ny fandrasiana ho mpiasam-panjakana ivelan’ny fifaninana raha ny fanazavana azo teo anivon’ny minisiteran’ny asam-panjakana.

Rano Antananarivo

0
Manoloana ny olana amin'ny famatsiana rano vokarin'ny orinasa Jirama eto Antananarivo sy ny manodidina, nanambara tamin'ity androany ity ny tomponandraikitra eo anivon'ny orinasa fa afaka enim-bolana ny vahaolana haingana indrindra. Ny fahanteran'ny fitaovana, ny fisian'ny gaboraraka no voalaza fa antony mahatonga ny fahatapahan'ny rano.

Raharaha Zaridainan’Antaninarenina : 4 no mbola karohana

0
Olona 4 no mbola karohana ankehitriny manoloana ny raharaha famarotana ny zaridainan'Antaninarenina sy ny CEG Analamahitsy, araka ny vaovao teo anivon'ny zandarimariam-pirenena io hariva io. Mbola anatin'ny fitsaboana ilay filohan'ny filan-kevitra monisipaly amin'izao fotoana izao , raha ny vaovao voaray hatrany. Ity farany izay voarohirohy amin'ity raharaha ity.

Minisitra kandidà : tsy voatery hametra-pialàna

0
Tsy voatery hametra-pialàna ny minisitra kandidà ho solombavambahoaka. Ny tovana ao amin’ny lalàna 2018-008 no mamaritra izany, araka ny nambaran’ny mpahay lalàna nanaovana fandihadiana Fanampim-panazavana.