dimanche 05 mai 2024
Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

LTP Antsohihy : novatsiana fitaovana vaovao

0
Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana, novatsiana fitaovana vaovao hahafahana manao fampiharana ny mpianatra ao amin'ny Lycée Technique et Professionnelle Antsohihy. Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ihany koa ny Birao ho an'ny fitantanan-draharaha eo anivon'ny sekoly. Homena endrika vaovao ny fampiofanana arak'asa sy ny fampianarana teknika hoy ny minisitra tomponandraikitra.

Bealanana – Antsohihy : tafiakatra 30 000 Ariary ny saran-dalana

0
Adiny 8 hatramin'ny adiny 10 no hamitana ny lalana mirefy 120 Km mampitohy an'i Bealanana sy Antsohihy amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Ankoatr'izay miakatra avo 2 na 3 heny ny saran-dalana. Miaina ao anatin'ny fahasahiranana araka izany ireo mponina any an-toerana noho io faharatsian'ny lalana amin'izao fotoana io.

BAD sy ny UE : noraisin’ny Filohan’ny Repoblika

0
Nandray ny filoha lefitry ny BAD na ny Banque Africaine de devéloppement niaraka tamin'ny solontena maharitry ny BAD ny Filohan'ny Repoblika androany. Taorin'izay no nandraisany ihany koa ny avy amin'ny Vondrona Eoropeana.

« Permis de conduire » : tsy hisy ny famerenana ny « permis rose »

0
Tsy hisy ny famerenana ny permis rose raha ny angom-baovao azo antoka. Efa miroso amin'ny fametrahana vahaolana maharitra ny tomponandraikitra amin'izao fotoana izao. Fanatsarana ny Permis biométrique teo aloha raha ny fanazana hatrany no tanjona amin'izao fanovana izao.

Enduro Sherco : tontosa androany teny Ankadinandriana Atsinanana

0
Maresaka ara-panatanjahantena, tontosa tamin'ity androany ity teny amin'ny kaominina Ankadinandriana Antsinanana ny 1ere manche ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara taona 2019. Afa-po na ny mpandray anjara sy ny mpikarakara.

Fanadiovana lakan-drano : tsy misy fandraisana andraikitry ny CUA

0
Nandray ny andraikiny nanadio ny "Canal Secondaire" ny fokonolona tao amin'ny fokontany Antohamadinika tamin'ity androany ity. Antony, tato anatin'ny dimy taona farany, tsy nanadio izany ny kaominina Antananarivo renivohitra na teo aza ny antso sy ny fitarainana nataon'ny mponina.

Fitrandrahana granita – Kaominina Mahereza : naaato vonjimaika

0
Nahato vonjimaika ny fitrandrahana granita ataona orinasa vahiny ao amin'ny kaominina Mahereza, distrikan'Ambohidratrimo. Antony, misy mikasa hanimba ny fitaovam-pitrandrahana noho ny feo mandeha fa mitrandraka volamena ireo vahiny, eo ihany koa ny fahasimban'ny fambolena.

Nosy Sainte Marie : ahitana toerana mahasarika mpizahantany maro

0
Isan'ireo toerana manankarena ara-kolontsaina indrindra fa ny fomban-drazana ny ao amin'ny Nosy sainte Marie izay iavahany amin'ny toeran-kafa maro eto Madagasikara, mbola voatazona izany ankehitriny na eo aza ny firororoboan'ny teknolojia. Ny nosy sainte Marie izay isan'ireo mahasarika mpizahatany maro.

Bongatsara : tsy eken’ny mponina ny famefena ny lalana

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mponina tao amin'ny fokontany Beparaky, kaominina Bongatsara tamin'ity androany ity. Antony, nofefen'olon-tsotra ny lalana hifandraisan'ity fokontany ity amin'ny manodidina. Fefy, izay tsy ara-dalàna hoy ny ben'ny tanànan'i Bongatsara.

Edito du 2 mars 2019

0
Volana vaovao, Fidiran’ny fanjakana amin’ny faharoa-volana niasany. Ny fanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana no hita misongadina. Fandraisana andraikitra izay maneho fahavononana ihany koa amin’ny fampandrosoana sy fanatanterahana ireo fanamby napetraka tanatin’ny vina nofaritan’ny filohan’ny repoblika . Ny andinindinin’izay anatin’ny matoan-dahatsoratra