dimanche 05 mai 2024
Accueil 2019 mars

Archives mensuelles: mars 2019

51 taona Fahaleovantenan’i Maurice : hanatrika izany ny filoha Rajoelina

0
Lasa any Maurice ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina hanatrika ny fankalazana ny faha 51 taona nahazoan’I Maurice ny fahaleovantenany ny 12 Martsa izao.

Edito du 11 mars 2019

0
Fifidianana solombavambahoaka. 71 hatreto ireo voasoratra anarana ho kandida raha 151 ny toerana ho an’ireo solombavambahoaka eny amin’ny antenimierampirenena. Mitana ny maro an’isa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny antoko. Tsiahivina ankilany fa tsy tokony ho sehatra hialokalofana amin’ny tsy mety atao ny antenimierampirenena. Ny andinindinin’izay anatin’ny matoan-dahatsoratra.

Kidnapping Maevatanana : zazalahy iray no namoy ny ainy

0
Zazalahy iray 19 no maty novonoin'ireo mpaka an-keriny tany Maevatanana, 2 hafa tafatsoaka ny Alahady teo ihany ary vavikely iray mbola voatazona ho takalon'aina ankehitriny. Vola mitentina 10 tapitrisa ariary no takin'ireo mpaka an-keriny raha ny tatitra avy tamin'ny vondrontobim-pileovana Betsiboka.

Mpiasan’ny JIRAMA : hitokona manomboka rahampitso

0
Hanatanteraka fitokonana ny mpiasan'ny Jirama izay tarihan'ireo Inter syndical manomboka rahampitso. Anton'io raha ny fanazavan,a ny fitakiana ny fialan'ny Tale jeneralin'ny JIRAMA.

Fivarotana tsy ara-dalàna ny tanin’ny CUA : mandeha ny fanadihadiana

0
Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fisamborana ireo izay voarohirohy amin'ny raharaha fivarotana tsy ara-dalàna ny tanin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'izao fotoana izao. Nanambara ny teo anivon'ny MAHTP fa tsy ny eto amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra ihany no hanaovana fanadihadiana amin'ny tany namidy tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, fa ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy.

Mpitondra sy ny vahoaka : hifanakaiky kokoa amin’izay

0
Manomboka izao dia azo resahina mivantana amin’ny alalàn’ny « internet » ny Filoha RAJOELINA Andry. Tanjona amin’izany dia ny hisian’ny fangaraharahana tanteraka eo amin’ny fiasan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy no hampifanantona bebe kokoa ny Filoha sy ny vahoaka Malagasy. FAnampim-panazavana.

Fanabeazana olompirenena vanona : mbola lavitra ny ezaka

0
Mbola lavitra ny ezaka ho an'i Madagasikara eo amin'ny fanabeazana olompirenena. Maro amin'ireo olompirenena nanaovana fanadihadiana no tsy mahalala ny zo sy ny adidiny ho an'ny tanindrazana.

Fanalamanga : ny drafi-panajariana apetraka no hampaharitra ny ala

0
Ny fahatanterahan’ ny drafi-panajariana ny ala no antoka hampaharitra ny fitantanana sy fitrandrahana ny ala ao amin’ny orinasa fanalamanga. Drafi-panajariana efa natomboka ary vinavinaina ho vita ato anatin’ny 20 taona.

Horonan-tsary malagasy : misongadina eto Afrika

0
Mivoatra ny tontolon’ny horonan-tsary malagasy. Horonan-tsary iray notontosain’ny tanora Malagasy no isan’ireo nahazo ny toerana faharoa tamin’ny Festival FESPACO . Mbola olana ho an’ny mpanantontosa horonan-tsary Malagasy ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fanjifan’ny Malagasy izany.

Nicolas Dupuis – FMF : tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana

0
Tontosa io hariva io ny fifanaovan-tsonia fifanarahana eo amin'ny Nicolas Dupuis, sy ny comité de normalisation. Nohamafisina tamin'ity androany ity araka izany fa i Nicolas Dupuis no mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny CAN 2019 tanterahina any Egypte.