samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 1 août 2019

Parc Ankarafantsika : mahaliana ireo mpitsidika ny « canyon »

0
Mahaliana ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara amin'izao fotoana ny fitsidihana ireo "Canyon". Ho an'ny Parc Ankarafantsika manokana, mitazona ny laharana faharoa amin’ny fitsidihana be indrindra amin'ireo "Cicruit" miisa 08 misy ao an-toerana ny “canyon”.

Lalàna hifehy ny mpanohitra : ho jerena manokana eny Tsimbazaza

0
Ho jerena manokana mandritra ny fivoriana hotontosain’ny Solombavambahoaka amin’ny faha-12 aogositra ho avy izao ny lalàna mifehy ny mpanohitra eto Madagasikara. Tanjona amin’izany ny tsy hisian’ny manjavozavo intsony amin’ny fametrahana ny toerany ny mpanohitra eto Madagasikara, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena.

« Stations de pompage » miisa 5  eto Antananarivo : efa afaka miasa, hiatrehana ny fahavaratra

0
Efa mandeha avokoa ireo milina lehibe fisintoman-drano 5 eto Antananarivo izay nasiana fanavaozanana hiatrehana ny fahavaharatra ho avy. Ny eo anivon’ny APIPA manomboka izao no hitantana azy ireo. Nidina nijery ifotony izany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany.

Tsena Anosibe : naaton’ny Prefektoran’ Antananarivo ny fanorenana

0
Nahaton'ny prefektoran'Antananarivo ny fanorenana ataon'ny kaominina ao amin'ny Parking tsena Anosibe. Manome 48 ora ny kaominina ireo mpivarotra handravana ireo fanorenana efa nisy hahafahana mamerina amin'ny laoniny ny Parking ary mangataka ny hanaovana fanadihadiana lalina amin'ny mety ho fisian'ny kolikoly.