dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 août 2019

Ariary : mihena hatrany ny sandany

0
Tao anatin’ny 1 volana, tsy nitsaha-mahazo aina ny sandan’ny vola vahiny raha mitaha amin’ny Ariary. Isany antony voalohany amin’izany raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena, miha-mahazo laka ny elanelana eo amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana. Tsy mifandanja ny mizanam-barotra eto Madagasikara.

Fifidianana kaominaly : nanolotra tetiandro vaovao ny CENI

0
Nanolotra volavolan-tetiandro vaovao hahafahana manatanteraka ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina ny teo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana androany. Araka ny tetiandro napetrak’izy ireo hotanterahina ny 27 Novambra izao ny fifidianana raha toa ka ankatoavin’ny governemanta ity volavolan-tetiandro vaovao ity.

Lalàna hifehy ny mpanohitra : hampanarahana ny vaninandro

0
Dinihina eny anivon’ny Antenimierampirenena mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Solombavambahoaka ny lalàna hifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Fampanarahana vaninandro ny lalàna efa misy no atao, hoy ny mpanao lalàna nanaovana fanadihadiana satria mila izany io lalàna izay ninian’ny mpitondra teo aloha tsy nampiharina io.

Fampianarana sy fanabeazana : ho tohizana ny fanatsarana ny kalitao

0
Zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana sy ny sehatra tsy mainkina eo amin'ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana. Maro anefa ankehitriny no mbola tsy mahazo ny votoatin'ny PSE amin'ny maha teti-pivoarana hanatsarana ny fanabeazam-pirenena eto Madagasikara azy. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny Sekretera Jeneralin'ny ministera androany.