dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 août 2019

15 Aout , Assomption : andro manan-danja ho an’ny mpino katolika

0
15 Aogositra , andro anamarihan’ny mpino katolika ny nampiakarana an’i Masina Maria tany an-danitra na ny Assomption. Feno hipoka ny eglisy katolika ary niompana tamin’ny fanantenana , ny fivavahana androany.

Filan- kevitry ny governemanta sy minisitra : nisongadina ny fametrahana ny datim- pifidianana kaominaly

0
Nisongadina tao anatin'ny filan- kevitry ny governemanta natao omaly Alarobia ny fametrahana ny datim- pifidianana kaominaly eto Madagasikara sy ny lamina rehetra entina manatanteraka izany. Teo ihany koa ny torimarika amin'ny tetibolam- panjakana 2020, ny resaka fanapahana hazo sy ny fivarotana solika ary ny fanendrena tomponandraiki- pankana sy fanafoanana didy fanendrena.

Olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo : hovahana anatin’ny fotpana fohy

0
Ho fanafainganana ny fanarenana ny orisana Jirama no antony nanoloana ny tale jeneralin'ity orinasam-panjakana ity hoy ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo androany. Ho voavahy mialohan'ny fiafaran'ity volana ity ihany koa ny olan'ny famatsian-drano eto Antananaraivo.

Loka Nirhy Lanto : natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany ny loka.

0
Notanterahina androany ny fanomezana loka ho an'ireo mpankanto mendrika ho an'ny loka Nihry Lanto andiany fahaefatra. zaav-dehibe ho an'ny firenena ny kanto sy ny asa soratra izay mipetraka ho tantara sy fampianarana ho an'ny taranaka amam-para.

NIRHY-LANTO : mpanoratra nanana ny lazany teto Madagasikara

0
Isan’ireo mpanoratra Malagasy ary nisahana andraikitra maro teto amin’ny firenena i Rakotonindrina Charles Victor fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanoratra hoe NIRHY-LANTO.

Fiarovana ny ala : ilana fanaraha-maso

0
Mikasika ny fandrakofana ala an’i Madagasiakra izay tetikasan’ny filohan’ny repoblika. Mpisehatra maro no miroso amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo. Tsy ampy kosa ankilany ny fanaraha-maso ny faritra novolena, antony tsy mahavanona ny fambolen-kazo. 85%n’ny hazo volena no tokony ho vanona raha toa ka misy ny fanaraha-maso atao.

Rafitra miady amin’ny heloka atao amin’ny fitaovan-tserasera : hanomboka ny asa

0
Mahavoasazy ny heloka atao amin'ny fitaovantserasera. Taorian'ny fametrahana ny rafitra miady amin'izany , hanomboka ny asa entina misoroka izany. Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany etsy amin'ny tranombokim-pirenena ny varavarana misokatra mikasika an'izay ady amin'ny heloka atao amin'ny fitaovan-tserasera izay

Fandaharan’asa fanatanterahana ny « PGE » : natolotra ny Antenimierampirenena androany

0
Nahafa-po ny Solombavambahoaka ny fandaharan'asa fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana, izay natolotry ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta teny amin'ny Antenimierampirenena androany. Ny politika ankapoben'ny fanjakana ho an'ny taona 2019 – 2020 io nampahafantarina ny Solombavmbahoaka io.

Stadium Barikadimy Toamasina : efa vita avokoa ny 95%n’ny asa fanamboarana

0
Efa vita avokoa ankehitriny ny 95%n’ny asa fanamboarana ny kianjan’i Barikadimy ao Toamasina. Nitsidika sy nanao ny fanaraha-maso teny an-toerana ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena omaly.