dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 31 août 2019

Madagasikara : mpitarika ny ady amin’ny jiholahin-tsambo

0
Tapaka tany Tokyo Japon androany nandritra ny fivoriana manokana ho an’ny fiaraha-miasa aty amin’ny Ranomasimbe Indiana fa i Madagasikara no hitarika ny ady atao amin’ny jiolahin-tsambo. Fanampim-panazavana.

« Papamobile » : natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Natolotra tamin'ny fomba ofisialy androany ny "Papamobile", fiara izay vita avy eto Madagasikara hitondra ny Pape François mandritra ny fitsidihany eto Madagasikara manomboka ny faha-6 Septambra ho avy izao. Omen'ny orinasa karenjy ho an'ny fiangonana katolika ity fiara ity aorian'ny fitsidihana tanaterahin'i Pape François.

Domaines sy Topo : niompana tamin’ny fampahafantarana ny famindrana ny tany ny varavarana misokatra

0
Niompana tamin’ny fampahafantarana ny mpanjifa, ny mahazavadehibe ny famindrana ny antontan-taratasy manaporofo ny fananan-tany amin’ny mpandova ny varavarana misokatra nataon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. Hisorohana ny endrika halatra samihafa no tanjona.

TICAD 7 : nanolotra 2 miliara sy 600 tapitrisa Yen ho an’ny fanjakana Malagasy ny Japoney

0
Notontasaina androany ny fifanaovan-tsonia ho fanatsarana ny tetezan'i Mangoro sy Antsapaza amin'ny lalam-pirenena faha-2, teo amin'ny Masoivoho Japoney sy ny fanjakana Malagasy amin'ny alalan'ny minisitry ny raharaham-bahiny. Vola mitentina 2 miliara sy 600 tapitrisa Yen no natolotry ny fanjakana Japoney hahafahana manatanteraka izany.

Mialy RAJOELINA : zava-dehibe ny fanabeazana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

0
Zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana hoy ny vadin'ny filohan'ny repoblika, ramatoa Mialy RAJOELINA nandritra ny fandalovany tany Japon. Ankoatry ny fahasalamana, ny fanabeazana sy ny fiarovana ny olona marefo, isan'ny sehatra manan-danja amin'ny vadin'ny filoha ny sehatry ny tontolo iainana.