dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 24 août 2019

Fizarana karatany – MAHTP : tontosa androany ny tao amin’ny Kaominina Alakamisikely

0
Mitohy hatrany ny asan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Tamin'ity androany ity, notanterahana tao amin'ny kaominina Alakamisikely, Distrikan'Arivonimamo ny fizarana karatany miisa 2 400. Hetsika izay tanteraka vokatry ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny tetikasa CASEF.

Tsaratanàna sy Maevatanana : notanterahina tany ny vina laharana voalohany

0
Mitohy hatrany ny fanatanterahan’ny fitondram-panjakana ny vina napetraky ny filohan’ny repoblika. Tamin'ity anio ity dia nidina ifotony tany amin'ireo faritra mafana roa ao anatin'ny faritra Betsiboka , Tsaratanana sy Maevatanana ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina.

Antenimierandoholona : nahemotra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra

0
Nahemotra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay naroso nodinihina sy nolaniana teny amin'ny Antenimerandoholona androany. Miandry ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka na miandry ny fivoriana ara-potoana ny volana oktobra ho avy izao araka izany ny fandaniana io lalàna io eny amin'ny Antenimierandoholona.

Kianja Soamandrakizay : efa vita ny 95% ny asa no vita

0
95% ny asa ao amin’ny Kianja Soamandrakizay Androhibe no vita 15 andro mialohan’ny hahatongavan’ny Papa François eto Madagasikara. Manana velarantany70ha i Soamandrakizay, izay tany ngazana tany aloha. Vantany vao fantatra fa hitsidika an’i Madagasikara i Papa Ray Masina dia nirosoana avy hatrany ny asa fanajariana ny toerana. Fanampim-panazavana.

Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra : goragora sy gaboraraka tanteraka

0
Fitantanana gaboraraka izay no andikan'ny vahoaka ny fitantanana ny tananan'Antananarivo Renivohitra amin'izao fotoana izao. Na izany eo amin’ny fifamoivoizana na eo amin’ny fivarotana sy ny fanadiovana ny tanàna tsy misy mizotra amin'ny laonany ny fomba fitantanana.