dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 août 2019

Tatatra sy lakan-drano eto Antananarivo : noraisin’ny fanjakana an-tanana ny fanadiovana izany

0
Noraisin'ny fanjakana an-tanana ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tatatra sy lakan-drano izay tokony ho anjaran'ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Tanjona ny fanatsarana ny renivohitra ary koa ny fisorohana mialoha ny mety ho fiakaran'ny rano amin'ny fotoam-pahavaratra.

Fananam-panjakana : hatomboka ny fanisana izany

0
Nanomboka ny faha-7 aogositra lasa teo ny fanisan'ny DPE na ny Direction du Patrimoine de l'Etat ireo fananan'ny Fanjakana Malagasy. Ny trano nonenan'ireo tompon'andraiki-panjakana ambony teo aloha tsy manana andraikitra ambony intsony no nanombohana izany. Fanampim-panazavana.

CENI : miandry ny teti-bola hanatanterahana ny fifidianana

0
Eo ampiandrasa ny teti-bola avy amin'ny fanjakana hanatanterahana ireo asa rehetra mahakasika ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolotsain'ny tanàna ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana raha toa ka hanomboka ny 29 Aogositra izao ny fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidiana.

Adina ara-panatanjahantena BAC : misy lesoka ny fitsirihina ara-medikaly

0
Tovovavy 4 hatreto no fantatra fa mitondra vohoka ary voatsirika nandritry ny adina ara-panantanjahantena , tao amin’ny ivon-toeram-panadinana tetsy Mahamasina. Mpiadina 2 ihany koa no voatsirika fa taizan’aretina. Mbola lesoka amin’ny adina ara-panatanjahantena raha ny fanazavan’ireo tomponandraikitra ny fitsirihina ara-medikaly mialohan’ny adina na ny visite médicale. Nanomboka omaly ary hifarana ny faran’ny volana izao ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea eto Antananarivo.

Fadintseranana : namoaka laharana maitso vaovao

0
Namoaka laharana maitso vaovao ho entina manatsara ny fomba fiasa sy hiadiana amin'ny kolikoly ary ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ny eo anivon'ny fadintseranana. Fomba fiasa lavitry ny kolikoly sy ny fitantanana mangarahara no tanjona.

Loi sur l’opposition : mitohy ny fifampidinihana eny Tsimbazaza

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandinihan'ireo Solombavambahoaka ny lalàna hifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra eto Madagasikara. Aorian'ny fandinihana izany eny anivon'ny vaomiera vao hiroso amin'ny fandaniana azy eo amin'ny fivoriana azon'ny be sy ny maro hatrehana ny Solombavambahoaka.