dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 août 2019

Torolalana amin’ny fizahantany : hivoaka ny septambra ho avy izao

0
Hivoaka ny volana Septambra ho avy izao ny torolalana ho an'ireo mpampiasa vola eo amin'ny sehatry ny fizahantany. Torolalana natao hanamorana ny fanatanterahana tetikasa ary fandraisana anjara amin'ny fanatanterahana ny Politika ankapoben'ny fanjakana eo amin'ny sehatry ny fizahantany.

Taom-pianarana 2019 – 2020 : hanomboka ny alatsinainy 28 oktobra

0
Hanomboka ny alatsinainy 28 oktobra ny taom-pianarana 2019-2020 hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa androany nandritra ny andron'ny mpanabe notanterahina teny Mahamasina. Ankilan'izay, efa tonga any amin'ny fobiem-panadinana avokao ny laza adina hiatrehana ny CEPE ny talata ho avy izao.

« Traversée de Tana » : notontosaina androany

0
Ireo fiara sy moto tany alohan’ny taona 80 tany indray no entin’i Henri Florien aminao ao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity, izy ireo izay nanao hetsika fampafantarana androany.

Edito du 24 aogositra 2019

0
Tsy mitoetra intsony ho an'ny mpitantana ny tananàn' Antananarivo ny filamatra hoe : ny arabe ho an'ny fiarakodia, ny sisin-dalana natokana ho an'ny mandeha an-tongotro ary ny tsena no toeram-pivarotana fa dia nomeny fahazoan-dalana hanohy ny gaboraraka hanoko entam-barotra eny amoron-dalana ny mpivarotra. Fanazaran-dratsy hakany @ fanakorontanana, izay tsy azo ekena n'a inona fanamarinan-tena ataon'ny mpitantana an'Antananarivo Renivohitra.