Accueil 2019 septembre

Archives mensuelles: septembre 2019

Fampiofanana ho « Assistant d’Architecte » : hanomboka etsy amin’ny IST Ampasampito

0
Isany lalam-piofanana vitsy mpanao eto Madagasikara ny lalam-piofanana mamoaka architecte sy assistant architecte. Vokatry ny fiarahamiasan'ny fanjakana amin'ny architecte belge , hanomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity etsy amin'ny IST Ampasampito ny lalam-piofanana ahatonga ho assistant d’ architecte. Mpianatra manodidina ny 20 no hisitraka izany.

MAHTP : omena vahana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Nihaona tamin’ny minisitry ny MAHTP androany ireo mpikambana eo anivon’ny FOM, na ny fikambanan’ny Orinasa Malagasy. Ilaina ny fandraisan’anjaran’ny orinasa Malagasy amin’ny fanatanterahana ny asa ho an’ny fampandrosoana. Fanampim-panazavana.

Fifidianana kaominaly : hivoka ny faha-24 septambra ny lisitr’ireo kandidà

0
Havoakan’ny CENI amin’ny faha 24 septambra izao ny lisitr’ireo kandidà ofisialy, ary didian'ny lalàna ihany koa ireo kandidà amin'ny fanendrena ny mpitam-bolan'ny fampielezan-kevitra.

PAC : niditra amin’ny andiany faharoa

0
Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fampankarana fampanoavana eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption, ireo raharaha momba ny kolikoly mahavoarohirohy olontsotra, mpandraharaha, tomponandraikitra ambony sy ireo ambara ho trondro vaventy.

Lakandranon’i Pangalana : vahoaka maheriny 3 tapitrisa no hisitraka ny fanajariana

0
Fantatra nandritra ny fanombohana ny asa fanajarina ny lakandranon’i Pangalana nataon’ny Filohan’ny Repoblika tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo fa vahoaka maherin’ny 3 tapitrisa no hisitraka tombotsoa maro aorian’ny fanajariana azy.

Antananarivo Renivohitra : miakatra hatrany ny hofan-trano

0
Maro ireo olona mitady trano ahofa eto Antananarivo renivohitra amin'izao fotoana. Antony mahatonga ny hofan'ireo trano tsy mitsaha-mitombo ary efa tafiakatra hatrany amin'ny 3 hetsy ankehitriny ireo trano efitra 1 mamaly ny fepetra ialin'ny mpanjifa.

PRM – Toamasina : nitsidika ny toerana hametrahana « Bulding » mora sy ny fanamboaran-dalana

0
Taorian'ny fitsidihana an'i Pangalana, notsidihina ihany koa ny fanamboarana ny lalana miainga ao Toamasina hihazo an'i Soanierana Ivongo. Nojeren'ny fiolhan'ny repoblika sy ny minisitra tomponandraikitra ary ireo delegasiona miaraka aminy ihany koa ankilan'izay ny toerana hametrahana Kianja ho an'ny tanora sy ho an'ny mponina ary ny hametrahana Bulding mora ao Toamasina.

Fanarenana ny Rova Manjakamiadana : miroso ny asa

0
Fanamby nataon'ny Filohan'ny Repoblika Rajoelina Andry ny Fanarenana ny Rova Manjakamiadana. Miroso ho amin'izany ny namoahana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny antso tolo-bidy navoakan'ny fiadidiana ny Repoblika.

Ceni : miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 27 novambra 2019

0
Miroso amin'ny fanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsain'ny tanàna ny eo anivon'ny Ceni taorian'ny fahataperan'ny fanaterana ny antotan-taratasin'ireo kandida teny anivon'ny OVEC. Kaominina roa amin'ireo 1 695 ihany nontsy nahitana kandida ho mpanolo-tsaina ka hiandrasana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

Edito du 14/09/19

0
Veliranon'Iarivo, io no velirano napetrakin'ny kandida natolotry ny vondrona politika manohana ny Filoha Rajoelina Andry. Velirano hialana amin'izao gaboraraka mahazo an'Iarivo Renivobitr'i Madagasikara izao.