vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 septembre

Archives mensuelles: septembre 2019

Lahatenin’i Pape François : nitondra hafatra mafonja ho an’ny Malagasy

0
Hafatra mafonja no nentin'ny Pape François ho an'ny Malagasy tsy ankanavaka nandritra ny lahateny izay natao tamin'ity androany ity. Hitondra fanantenana sy fiovana amin'ny fampandehanan-draharaha eto amin'ny firenena ny lahateny izay nataony raha ny fanehoan-kevitr'ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo nanatrika teny an-toerana. Fanadihadiana

Fifidianana Kaominaly : taratasy firotsahan-kofidiana 31 no voarain’ny OVEC

0
6 andro mialohan’ny hikatonan’ny fandraisana ireo antontan-taratasy firotdahana ho kandidà amin’ny fifidianana Kaominaly dia antontan-taratasy firotsahana 31 hatreto no vaoarain’ny OVEC miisa 114 manerana ny Nosy, raha ny nambaran’ny CENI androany.

Mpianatra 15 : nahazo vatsim-pianarana hianatra any Sina

0
Avy amin’ny fiarahamiasa tamin’ny orinasa Sinoa iray sy ny fitondrana Malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Handranto fianarana mandritry ny 5 taona izy ireo ary hiverina hampiasa ny fahaizany eto Madagasikara. Namafisin’ny minisitra Hajo Andrianainarivelo fa tsy maintsy manaja ny fijerena ny sosialy tahak’izay avokoa ireo orinasa miasa eto Madagsikara. Fanadihadiana.

Fandraisana ny mpizaika : nilamina amin’ny ankapobeny

0
Efa saika tonga avokoa ireo mpino an’arivony avy amin’ny diosezy miisa 21, avy amin’ny faritra hanotrona ny lamesa lehibe iarahana amin’i Pape Francois eny amin’ny kianjan’i Soamandrakizay. Nilamina ny fandraisana sy ny fandaminana hatreto ary efa voahomana ihany koa ny toe-panahy amin’izany, hoy ireo mpizaika nanaovana fanadihadiana.

Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fitsenana azy tamin’ny fomba ofisialy.

0
Ho fintininana aminao ao anatin'ity fanadihadiana manaraka ity izany nahatongavan’i Papa François eto Madagasikara izany.

Fahatongavan’ny Papa François : hentitra ny fitandroana ny filaminana

0
Hentitra ny fitandroana ny filaminana androany teny amin'ny lalana nolalovan'ny Pape François. Maro ireo mpitandron'ny filaminana nahetsika izay nifandrombonan'ny polisim-pirenena, ny zandarimaria ary ny tafika Malagasy.

Fitsenana ny Papa Ray Masina : tam-pinoana sy fifaliana no nandraisana azy

0
Hafaliana, feno finoana tanteraka no niandrasana sy nandraisan'ireo vahoaka maro tonga nitsena ny Papa Ray Masina ny tolakandro teo. Feno hipoka sy voarakotra loko mavo sy fotsy avokoa ny sisin-dalana rehetra nandalovan'ny Ray Masina.

Fahatongavan’i Papa François : hentitra ny fitandroana ny filaminana

0
Ho hentitra ny fandaminana sy ny fitandroana ny filaminana eto Andrenivohitra mandritran’ny fitsidihan’ni Papa François an’i Madagasikara manomboka ny andron'ny rahampitso zoma. Fepetra maro samihafa araka no raisina ho fitandroana ny filaminana.

Fahatongavan’ny Papa François : tapaka ny lalana Ivato – Tsarasaotra – Nonciature Ivandry

0
Hisian'ny lamina amin'ny fitsidihan'ny Pape François eto Madagasikara, maro ny fepetra noraisin'ireo mpikarakara, isany amin'izany ny fanapahana ny lalana rehetra izay hizoran'ny delegasiona. Fepetra izay noraisina ahafahan'ny rehetra mihanoka amin'ny fandraisana ny vahiny manan-kaja.

Sorona Masina eny Soamandrakizay : ny litorjia Romanina no hampiasaina

0
Ny litorjia Romanina no hampiasaina mandritra ny lamesa lehibe hiarahana amin'ny Pape François eny Soamandrakizay ny alahady ho avy izao. Ny loko fotsy no "loko litorjika" hampiasaina na dia ny litorjia ho an'ny alahady faha 23 mandavan-taona amin'ny taona D aza no ho raisina.