vendredi 03 mai 2024
Accueil 2019 septembre

Archives mensuelles: septembre 2019

Torolalana

0
Mikasika ny fahatongavan’i Pape François, nisy ny lamina napetra amin’ny fandrindrana ny toerana eny Soamandrakizay. Anatin’izay ohatra ny lalana fidirana, ny toerana natokana hitoeran’ny fiara, sy ny natokana ho an’ny mpanatrika avy any amin’ny faritra sy ny avy eto Antananarivo. Hotanterina aminao ato anatin’ity fanazavana manaraka ity ny mikasika io fandaminana napetraka eny eny an-toerana io. Araho ary :

Firotsahan-kofidiana Ben’ny Tanàna : nisy ny fepetra noraisin’ny CENI

0
Herinandro nisokafan'ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, miisa 7 ihany hatreto ireo kandidà nametraka ny antontan-taratsy manerana an'i Madagasikara. Ankilany, nisy ihany koa ny fepetra noraisin'ny CENI mahakasika ny fanamarinan-tsonia eny anivon'ny distrika izay efa azo atao eny amin'ny kaominina amin'izao fotoana izao.

Fahatongavan’i Pape : efa milamina avokoa ny fandrindrana rehetra

0
Efa tomombavana avokoa amin'ny ankapobeny ireo fepetra rehetra handraisana ny vahiny indrindra fa ny toerana lehibe eny Soamandrakizay izay efa eo amparamparanana amin'izao fotoana izao, fepetra maro samihafa no noraisina mandritra ity fahatongavan'i Pape ity.

« ECO – ECOLE » : nibata fandresena i Madagasikara

0
Nandresy ary nibata ny amboara ny solotenan'ny mpianatra avy eto Madagasikara raha nifaninana tamin'ny Seychelle, Maurice sy Comore amin'ny tetikasa fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina. Tombony ho antsika izany ary fakan-tahaka ho an'ny rehetra manoloana ny fiovaovan'ny toetrandro.

Tafika anabakabaka : mpanamory 3 no notolorana mari-pahaizana

0
Mpanamory fiaramanidina Malagasy avy amin'ny tafika Malagasy no notolorana maripahaizana na "diplome de qualification AS 350 B2" teny amin'ny tony miaramila BANI Ivato. Izany no natao ho famerenana ny hasin'ny tafika anabakabaka raha ny fanazavana azo.

« Tsingy Rouge » Antsiranana : nohavaozina ny fotodrafitrasa

0
Ho fampiroboroboana ny fizahantany any amin’ny Faritr’i Diana any avaratry ny Nosy, indrindra fa ny « Tsingy Rouge » dia navaozina ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpizahantany any an-toerana. Tanjona amin’ny fanavaozana fotodrafitrasa ny hampitombo ny isan’ny mpizahantany any an-toerana .

Fahatongavan’ny Papa François eto Madagasikara : hiara-hientana ny rehetra

0
Manentana ny rehetra hiara-hientana hanaja ny fahadiovana mialoha sy mandritra ary aorian'ny fandalovan'ny Papa François eto Madagasikara ny tomponandraikitra eo anivon'ny kaominina Ivato. Anatin'izay ny fanajana ny fahadiovana sy ny filaminana mandritra ny fitsenana azy.

Tetikasa TATOM : mandray anjara ny governemanta Japonais

0
Ny governemanta Japonais no isan’ny misantatra amin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa TATOM. Taorian’ny fifanaovantsonia notanterahana tany Japon, ho fanatsarana ny tetezan'i Mangoro sy Antsapazana amin'ny lalam-pirenena faha-2, nisy androany ny fifanaovan-tsonia notanterahan’ny solontenam-panjakana sy ny JICA mikasika izay fanamboarana izay. Fanadihadiana.

PNDIE : napetraka ny Politikam-pirenen’ny Fotodrafitrasa sy ny Fampitaovana

0
Voapetraka ny Politikam-pirenenan’ny Fotodrafitrasa sy ny fampitaovana, izay sehatra entina handaminana ny fironana apetraka eto amin’ny firenena eo amin’ny lafiny fampiasam-bola maharitra. Mikasika ny fanatanrehana ity politika ity, nisy ny fanohanana ara-bola nataon’ny minisiteran’ny fambolena, ny fiompiana, ary ny jono, ny OIT, PAGE/GIZ. Fanadihadiana

« Ecoles Numériques » eto Madagasikara : hiampy 15 hatramin’ny taona 2020

0
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fanabeazana eto Madagasikara, notanterahana androany ny fifanaovan-tsonia fotohizan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny MENETP sy ny fondation Orange hanitarana ny "Ecoles Numériques".