vendredi 17 mai 2024
Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Voka-panadinana bakalorea : tokony hivoaka ny faha-19 oktobra ho avy izao

0
Tsy maintsy ezahana tratrarina ny datin’ny faha-19 oktobra hamoahana ny voka-panadinana bakalorea ho an’ny taona 2019. Miazakazaka ny asa arak’izany ka nirosoana avy hatrany fanamarinana sy ny fampidirana ny naoty anatin’ny solosaina taorian’ny fitsarana ny taratasim-panadinana.

TANAMASOANDRO : nihaonana tamin’ny mponina ny minisitry ny MAHTP sy ny MAEP

0
Nidina nijery ifotony teny amin’ny toerana hanantanterahana ny Tanamasoandro androany ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, sy ny minisitry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono. Ankoatry ny fijerena ny fizotry ny fiatombohan’ny asa, nanantona ireo mponina eny an-toerana ihany koa izy ireo, nandray ny hetahetan’ny vahoaka ary nanamafy ny fijerena vahaolana maharitra ho an’ny mponina voakasiky ny tetikasa.

Tsena VMMM : afa-po ireo nisitraka izany

0
Tao amin’ny kaominina Tanjombato indray no nisitraka ny fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary androany, tamin’ny alalan’ny hetsika sosialy karakarain’ny Vehivavy Malagasy mara Miainga. Fitsinjovana ny Ray sy Renim-pianakaviana ny tanjona amin’izao hetsika izao.

Raharaha laza adina Baccalauréat : miisa 43 ireo voasambotra

0
Tafiakatra 43 ireo olona voasambotra tamin’ny fivoahana laza adina nandritra ny fanadinana baccalauréat farany teo araka ny tatitra nataon’ny zandarimariam-pirenena ny maraina teo. Mitohy ny fanadihadiana ary hamafisina ny fepetra raisina amin’ny “bacc session spécial” raha ny fanazavana.

« Programme Participatif d’amélioration des Bidonvilles» : miditra amin’ny dingana fahatelo

0
Miroso amin’ny dingana fahatelo amin’izao fotoana izao ny « Programme Participatif d’amélioration des Bidonvilles», izay paikady entina hijerena manokana ireo tsy manan-kialofana, sy n miaina anaty fahantrana. Eto Antananarivo no hisantarana ny fampiharana ny hetsika sy paikady rehetra voarakitra anatin’izay. Nanomboka androany ary hifarana rahampitso ny atrikasa momba izany tontosaina ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy.

« Plan Emergence Madagascar » : Ho vitaina ao anatin’ny 1 volana

0
1 volana eo ho eo no fanamby napetraky ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta hamitana ny PLAN EMERGENCE MADAGASCAR na ny Tetipivoarana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, izay handrindrana ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana araka ny vina sy velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika. Io no nisongadina nandritra ny dinika momba izany, izay niarahan’ny mpikambana anivon’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka arabola sy arateknika.

Madagasikara : an-dalana ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana

0
Mifarana androany ny fivoriana iraisam-pirenena faha-6 momba ny fitadiavana famatsiam-bola ny ady atao amin’ny VIH Sida, ny tuberculose ary ny tazo moka any Lyon Frantsa . Isan'ireo nandray fitenenana nandritr'izany ny Filohampirenena Malagasy RAJOELINA Andry.

3ème Forum National Urbain : tsara ny vokatra

0
Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa 2 ho an’ny tetikasa Tana masoandro androany nandritry ny famaranana ny Fikaonan-doha nasionaly momba ny tanàn-dehibe. Nampiavaka ity andiany faha-3 ity ny fifandraisan’ny fikaonan-doha amin’ny fanatanterahana ny vina IEM sy ny politika ankapoben’ny fanjakana. Namafisin’ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy fa tsy maintsy ho vita araky ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika ireo fananganana fotodrafitrasa samihafa, isan’izany ny Tanamasoandro.

2è session Baccalauréat : milamina ny famolavolana ny laza adina

0
Nanomboka omaly ny famolavolana ny laza adina amin’ny 2è session’ny bakalorea 2019. Milamina ny famolavolana izany raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Miankina amin’izay raha ny fanazavana ny mahapanan-danja ny diplaoma.

3ème Forum National Urbain : vonona ny hanohana ny fanatanterahana tetikasa ireo mpamatsy vola

0
Vonona ny hanohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana ireo mpamatsy vola vahiny, araky ny nivoitra androany, nandritry ny fihaonana an-databatra boribory niarahan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, sy ireo mpamatsy vola maro.