Accueil 2019 novembre

Archives mensuelles: novembre 2019

Filankevitry ny minisitra : naato aloha ny tetikasa momba ny Base Toliara

0
Naato ny tetikasa sy ny serasera manodidina ny Base Toliara ary mitohy ny fifampidinihana momba izany. Etsy ankilany, hatsangana ny orinasa SPM hiandraikitra ny fanafarana sy ny famatsiana ny entana ilain'ny mponina, entina hamehezana ny vidin'ny entana ilaina amin'ny andavanandro. Ankoatr'io, neken'ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena ny PEM na ny drafi-pivoaran'i Madakasikara. Teboka nivoitra ireo tamin'ny Filankevitry ny minisitra omaly.

B’Tax Milay : nahazo fanomezana ireo nanaja bokin’andraikitra

0
Entina hankasitrahana ireo taxi be, manaja ny bokin'andraikitra indrindra eto Antananarivo, misy ny fanomezana fankasitrahana isam-bolana ataon'ny eo anivon'ny ministera tomponandraikitra, anatin'ny ilay hoe " B'Tax Milay. Androany no nampahafantarina ny mpitatitra mendrika indrindra ny volana oktobdra teo, tamin'ireo mivondrona ao amin'ny rafitry ny GPS tec Company. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ny mpitatitra.

CSM : nivory niaraka tamin’ny Filohampirenena androany

0
Nivory niaraka tamin’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra androany ireo mpikambana eo anivon’ny Conseil Superieur de la Magistrature. Nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny famerenana ny hasin’ny fitsarana eto Madagasikara

Mpianatra EPP sy CEG Anosibe : notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana

0
Tao amin’ny EPP sy CEG Anosibe ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niaraka taminy tamin’ity androany ity. Tamin’izany no nizarana ireo fitaovana entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianara eto Madagasikara toa ny rakibolana, tablette sy fitaovam-pianarana maro hoan’ny mpianatra malagasy araka ny programan’ny fitondram-panjakana.

« Cutlass Express 2019 » : tanterahana ny 4 hatramin’ny 15 novambra 2019

0
Mandray ny fanazaran-tena andranomasina iraisam-pirenena « CUTLASS EXPRESS 2019 izay nanomboka ny faha-4 ny vola ary hifarany ny faha-15 novambra izao i Madagasikara. Maro ny tombony ho azo amin’izany raha tsy ilaza afa tsy ny fanamafisana ny fitandroana ny fari-dranomasina.

Famatsiana rano fisotro madio : mandeha miandalana ny asa

0
Tanjona ny isitrahan’ny vahoaka malagasy rehetra rano fisotro madio. Mandeha ny asa fanantanterahana izany. Androany, nitsidika ireo fotodrafitrasa mikasika izany ny minisitry ny angovo, ny rano sy akoranafo mpisolo toerana.

Tsy fanarahan-dalàna – Fifidianana : misy fepetra manokana ny fametrahana fitoriana

0
Taorian’ny fampahafantaran’ny CENI ny fitsipi-dalao 10 hifehezana ny fampielezan-kevitra, notsindrin’ny CENI manokana ny fomba fitondrana ny fitoriana manodidina ny raharaham-pifidianana anivon’ny fitsarana androany. Nisongadina anatin’izany fa misy ireo natokana hanao ny fitoriana hampanan-kery izany.

Lalana Antsirabe

0
Mizotra araky ny tokony ho izy ny fanamboaran-dalana ao Antsirabe. Lalana mirefy 3 km ao amin’ny lalampirenena faha-7 no asiana fanamboarana ankehitriny.

Fandoroana ala eto Madagasikara : nitombo 60% ireo faritra ahitana afo

0
Tsy mitsaha-mitombo ny faritra ahitana afo na points de feux eto Madagasikara tao anatin’ny 3 volana izay. Raha ny fanazavana, isany olana lehibe tsy ahafahana mifehy izany hatreto ny fanabeazana ny olom-pirenena.

Fivoriam-ben’ny ONUDI: nisitraka 35 tapitrisa dolara i Madagasikara

0
Nanantontosa  fanaovan-tsonia famatsiana mitentina 35 tapitrisa dolara, entina hampandrosoana ny Indostria i Madagasikara, nandritry ny andiany faha-18 ny fivoriamben’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny indostria tontosaina any Abu Dhabi. Namafisin’ny Filohampirenena Malagasy nandritra io fa tsy maintsy miainga amin’ny Indostria ny fampandrosoana an’i Madagasikara.