samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 mai 2020

ANTENIMIERAMPIRENENA : hotanterahina eny Ivato ny fivoriana ara-potoana

0
Hotanterahana eny amin’ny CCI IVATO manomboka rahampitso faha-5 ny volana May ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Solombavambahoaka ho an’ny taona 2020. Ankoatran’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, isany hojerena mandritra izany ihany koa ny mahakasika ny famatsiam-bola rehetra azon’i Madagasikara avy amin’ny mpiara-miombon’antoka nandritra ny fotoana nampisy ny Covid-19. Ny hisian’ny mangarahara hatrany no tanjona raha ny fanazavana.

Kilasy tsy manala fanadinana : mitohy ny fanomezana enti-mody ny mpianatra

0
Mitohy ny fanomezana enti-mody ny mpianatra ho an’ny kilasy tsy manala fanadinana. Ankoatran’ny enti-mody mifandraika amin’ny lesoka nomena tany ampianarana, misy ny fikarohana ampanaovina ny mpianatra. Miankina betsaka amin’ny fandaharam-potoanan’ny Raiamandreny arak’izany ny fanarahamaso ny mpianatra tsy mbola miverina an-tsekoly ankehitriny.

Covid Organics : niainga anio ny fanomezana ho an’ireo firenena Afrikanina hafa

0
Ny tolakandro teo no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina manokana niraisan’ny Congo sy Centrafrique haka ny tambavy CVO, izay fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy. Maika ny famonjena ain’olona amin’ireo firenena roa ireo raha ny nambaran’ireo delegasiona. Velom-panantenana tanteraka ny firenena roa tonta amin’ny vokam-pikarohana CVO malagasy.

Asan’ny caissière : maro ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka

0
Maro ny fepetra ara-pahasalamana napetraka ho an’ireo caissière amin’ny toeram-pivarotana izay mandray olona sy mikirakira vola amin’izao vanim-potoanan’ny Coronavirus izao. Ampy ny fiarovana ho azy ireo raha mampanahy kosa ny an’ireo receveur amin’ny taxibe.