samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 mai 2020

Ambohimahitsy : narodana ny trano fampiasan’i LAMA sy ny namany

0
Narodana ny trano namboarin’i LAMA sy ny namany hitazonana ireo teratany vahiny alainy an-keriny tetsy Manakasina Ambohimahitsy. Ankoatry ny maha toerana fampiasan’ny jiolahy azy, tsy misy taratasy fahazoan-dalana hanorina ary mbola manana raharaha eny amin’ny Fitsarana ny tany.  

RAJOELINA Andry : tetikasa roa lehibe hotokanana mialohan’ny 26 jona 2020

0
Hanangana toeram-pitiliana sy orinasa famokarana fanafody eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Hamafisina ny fampiarana ireo fepetra ara-pahasalamana ary miampy ny Faritra Alaotra Mangoro ireo faritra 3 teo aloha. Ireo no isan’ny nisongadina nandritra ny lahatenin’ny filohampirenena nanoloana ny vahoaka malagasy alina.

Saritany sy taratasy fanamarinana fananan-tany – Atsimondrano : azo anatin’ny 5 minitra

0
Tsy tahaky ny teo aloha, latsaky ny 5 minitra dia mahazo ny saritany na ny Plan sy ny Certificat de situation juridique an’Atsimondrano ireo izay tonga maka izany eny anivon'ny sampandraharahan'ny fananan-tany Anosy nanomboka androany. Io maraina io no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny "guichet automatique de certificat de situation juridique et Plan " ho an’Atsimondrano. Ankoatr’izay, napetraka ihany koa ny e-Fantatra, ho fisorohana ny filaharana eny amin’ny biraon’ny fananan-tany.

Nosy Glorieuses : nampiantso ny Masoivohon’ i Frantsa ny fanjakana Malagasy

0
Sambany teto amin’ny tantaram-pirenena, nampiantso ny masoivohon’I Frantsa ny tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ny fanjakana Malagasy, manohitra ny vinavinan’ny fametrahan’ny fanjakana frantsay ny fananganana ny antsoina hoe “ Réserve naturelle Nationale ” ao amin’ny nosy glorieuse. Fanohitohinana ny fiandrianam-pirenen’I Madagasikara amin’ireo nosy ireo izany fihetsika izany ary tsy fanajana ny fifampiresahina misy eo amin’ny fanjakana roa tonta. 

Vondrona Parlemantera Repoblikana : tokony halefa mialoha ny fandinihina ny LFR

0
Mitaky ny fandefasana mialoha ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020 eny amin’ny Antenimierampirenena ireo solombavambahoaka ao anatin’ny Vondrona Parlemantera Repoblikana. Takian’izy ireo ihany koa ny fifampizarana andraikitra eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna.

Fanondranana entana: misedra olana ny orinasa tsy miankina

0
Manoloana ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus, misedra olana goavana ireo orinasa tsy miankina misehatra amin’ny fanondranana entana any amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsy misy ny tinady, fatiantoka ny orinasa. Ny fanondranana entana izay teboka mampiodina ny toekaren’ny firenena iray raha ny fanazavan’ny mpahay toekarena.