samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 mai 2020

« Cas asymptomatique » : ny « foyer social Canada » ao Toamasina no handraisana izany

0
Tsy handray cas asymptomatique indray aloha ny ao amin’ny CHU ao Morafeno fa ny foyer social Canada ao Toamasina indray no handray ireo olona ahitana cas asymptomatique. Izay ny lamina vaovao napetraka handrindrana ireo olona marary ny coronavirus ao amin’ny faritra Antsinanana.

« Râle de cuvier » : hitan’ireo siantifika indray

0
Raha toa ka efa nolazaina efa lany tamingana ilay vorona « Râle de cuvier », nilaza indray ireo siantifika ankehitriny fa nahita ilay vorona« Râle de cuvier ». Ny taona 2019 indray no nahitana azy.

Tom Rochet Nambinina : Malagasy tafiakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny The Voice

0
Ankoatran'i Ludysoa sy Nathan, ilay teratany Malagasy nandray anjara tamin'ny lalao The Voice La plus belle voix, izay raraka tamin'ny dingana K.O , teratany Malagasy ihany koa i Tom Rochet, mandray anjara amin'io lalao io ary tafiakatra amin'ny dingana Demi-finale na ny lalao manasa-dalana. Nambinina no anarany Malagasy, ary tany amin'ny faha-4 taonany izy no nisy nanangana niaraka tamin'ny anabaviny. Nanomboka teo dia nipetraka tany Frantsa hatrany izy.

Covid -19 : lehilahy iray 59 taona maty any Toamasina

0
Araky ny efa nambara tao anatin’ny fanadihadiana teo, lehilahy iray 59 taona no maty vokatry ny coronavirus any Toamasina raha ny fanazavan’ny mpitondra teny avy eny amin’ny CCO Ivato, ary efa voalevina ny atoandro ihany ny razana. Izy arak’izany no Olona voalohany voalaza fa matin’ny coronavirus eto Madagasikara nanomboka ny fidiran’ny aretina teto amintsika .