samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 29 mai 2020

Fanarenana ny firenena vokatry ny Covid-19 : drafitra 02 lehibe no hapetraka

0
Drafitra 2 lehibe no hapetraky ny fitondram-panjakana hanarenana ny firenena amin’izao krizy vokatry ny valan’aretina Cronavirus izao. Ny « plan multisectoriel d’urgence » sy ny « Plan multisectoriel de relance ». Ho foana afaka volana vitsy ihany koa ny « passif » aloan’ny fanjakana amin’ireo mpandraharaha Solika.

TOAMASINA : nitokona ireo mpianatry ny oniversite

0
Nidina an-dalambe ireo mpianatra izay tavela eny anivon’ny Cite Universitaire tao Barikadimy Toamasina tamin’ity androany ity. Ny fitakiana ny vatsim-pianaran’izy ireo 5 volana sy fangatahan’izy ireo fanampiana vatsy amin’ny fanjakana no anton’ny fihetsiketsehana izay, naharitra ora maromaro. Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra, niravona ny olana.

Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana : laharam-pahamehana ny lafiny sosialy

0
Ny lafiny sosialy no teboka iraisan’ireo solombavambahoaka fa tokony hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana izay handalo tsy ho ela eny amin’ny solombavambahoaka. Tsy tokony ho adino ihany koa ny fahasalamana sy ny fandriam-pahalemana raha ny fanazavana.

Fidiovana mandritry ny fadimbolana : mbola misy ny sakana

0
Tsy ampy ny fampahafantarana ny fiatrehan’ny vehivavy ny fadimbolana eto Madagasikara. Mbola maro ny sakana mipetraka ho azy ireo. Marihana androany 28 Mai  ny andro manerantany ho an’ny fidiovana mandritry ny fadim-bolana.

Sehatra tsy miankina : miandry vahaolana avy amin’ny fitondrana

0
Mangataka ny hahafahana mindram-bola amin’ny tahan’ny zana-bola ambany ireo sehatra tsy miankina na ny secteur privée. Teboka iray tao anatin’ny tolokevitra izay efa nolavin’ny fitondram-panjakana io, araky ny nambaran’ny Filohan’ny fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy androany. Amin’izao fotoana izao, andrasan’ny sehatra tsy miankina ny vahaolana aroson’ny fanjakana, hahafahana manohana azy ireo anatin’izao krizy ateraky ny Covid-19 izao.

Fanesorana Box tsy ara-dalàna : nilamina ny teny amin’ny boriborintany faha 4

0
Box tsy ara-dalàna miisa 12 no nakaton’ny tomponandraikitry ny tsena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra androany. Amin’ny ankapobeny, nilamina ny fanesorana raha ny hita teny an-toerana. Ho hentitra hatrany ireo tomponandraikitra manolona ireny fanorenana tsena tsy manaran-dalana ireny, ary hitohy amin’ny faritra hafa izany. 

Lalàna mifehy ny famokarana ara-biolojika : lany teo anivon’ny Antenimierandoholona

0
Lany teny anivon’ny Antenimierandoholona Anosy androany ny volavolan-dalana mifehy ny famakorana ara-biolojika na ny “agriculture biologique”. Ity lalana ity izay hahafahana mifehy ny famokarana sy ny fanomezan-danja ny vokatra misy eto Madagasikara.