samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 mai 2020

Kaominina manodidina : hamafisina ny fanangonana fako isan-tokantrano

0
Misedra olana amin’ny fanangonana fako ihany koa ny kaominina maro ivelan’Antananarivo renivohitra. Isany olana goavana ny fanangonana ny fako eny anivon’ny elakelan-trano sy ny toerana saro-dalana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa LESOTA vatsian’ny AFD vola, kaominina 3 eto Antananarivo sy ny manodidina arak’izany no hametrahana rafitra hanamorana ny fanangonana fako isan-tokantrano.

Nosy sambatra : havadiky ny frantsay ho « réserve naturelle » tsy ho ela

0
Havadiky ny Frantsay ho « réserve naturelle » tsy ho ela ny Nosy Sambatra na ny Iles Glorieuses izay tafifitra ao anatin’ireo Nosy Malagasy miisa 05 takiana ny hiverenany amintsika. Tranga izay namerina ao an-tsain’ny Malagasy indray ny fitakiana ireo nosy ireo. Aiza ho aiza isika amin’izao fotoana, inona no mety ho tohin’ny fitakiana taorian’ny fihaonana sy ny fakana hevitra teny amin’ny CCI Ivato ny volana desambra lasa teo.

CENI : misedra olana amin’ny famaranana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

0
Misedra olana amin’ny famaranana ny lisi-pifidianana ny CENI raha ny nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ity vaomiera ity. Nahitana fahasarotana ihany koa ankilany ny fampiakarana ireo lisitra vaovao avy eny ifotony. Ny fisian’ny valan’aretina coronavirus no antony iray lehibe nahatonga izany raha ny fanazavana.

FAKANA AN-KERINY : maty i Lama sy ny zandriny

0
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny velapandrika mati-paika androanyi I LAMA sy ny zandriny izay atidoha nikotrika ny fakana an-keriny an’i Anil KARIM ny 27 Aprily lasa teo. Olona 3 no naiditra am-poja avy hatrany izay niraitsikombakomba taminy.

Covid-19 : tsy mampiasa « désinfectant » ny ankamaroan’ny Taxibe

0
Nihen-danja ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana hifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19 raha ny hita eny amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Tsy mampiasa « Désinfectant » ny ankamaroany ary misy ny miverina manao taingim-be sy tsy manaja ny elanelana napetraka. Manahy manoloana io ny mpandeha ary mitaky fandraisan’andraikitra avy hatrany.

Tazomoka: olona 80 no maty any Betroka

0
Mandripaka ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny tazomoka. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, olona 80 mahery no fantatra fa matin’ny tazomoka any Betroka. Ny tsy fampiasana ny lay araky ny tokony ho izy no anton’izany raha ny nambaran’ny solombavambahoakan’I Betroka. Antony iray tsy ahafahan’I Madagasikara ny tazomoka ny fahamafisan-dohan’ny vahoaka raha ny nambaran’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana.

CUA : niroso tamin’ny fanakatonana ny tsena sy ny fanesorana ireo box tsy ara-dalàna

0
Niroso teo amin’ny fanakatonana ny tsena isaky herinandro ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra androany. Nanombohana izany ny teny amin’ny tsena Andavoahangy. Ankoatr’izay, niroso tamin’ny fanesorana ireo box tsy ara-dalàna ihany koa ny Kaominina taorian’ny fampiantsoana sy ny fampahafantarana natao ny tompon’izy ireny. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny Coronavirus sy ny fampanarahana lalàna.