samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 mai 2020

TOAMASINA : lehilahy iray 53 taona no namono tena tao amin’ny hopitaly

0
Lehilahy iray 53 taona voamarina fa nitondra ny tsiomak’aretina Coronavirus no namono tena tao amin’ny hopital CHU Morafeno ao Toamasina androany. Ny BMH no nikarakara ny razana raha toa ireo fianakaviana no nandevina azy.

Varika : mety ho voan’ny coronavirus ihany koa

0
Isan’ireo biby ahiana  ho voan’ny coronavirus ihany koa ireo varika amin’izy ireo voasokajy ho « primate non humain », manana rantsan-tanana dimy. Manoloana izany, manaitra ireo tomponandraikitra isan-tokony ny mpisehatra eo amin’ny tontolo iainana hanamafy ny fiarovana ireo biby misarika mpizahan-tany.

Aïd el-Fitr 2020 : androany no fankalazana ofisialy

0
Nifarana androany ny iray volan'ny Ramadany ho an'ny mpino silamo teto. Tsy nisy ny fanaovana fanompoam-pivavahana lehibe nentina nanamarihana izany noho ny toe-java-misy eto amintsika amin’ny fisian’ny valan’aretina. Nifanatona kosa ankilany ny isam-pianakaviana nanatanteraka ny fiaraha-misakafo.

Asa fijinjana vary : mampiditra hatrany amin’ny 15 000 Ariary isan’andro

0
Mampiditra hatramin’ny 15 000 Ariary isan’andro no olona iray mijinja vary amin’izao fotoanan’ny fararano izany. Misy mandavan-taona ny asa fikaramana eny an-tanim-boly raha ny fanazavan’izy ireo ary mahavelona ny ankohonana ny vola azo.

Kaompania Tsaradia : nanomboka androany ny « vol tout –cargo »

0
Niainga maraina teo ny fiaramanidina manao ny Vol tout Cargo tontosain’ny TSARADIA. Entana milanja 3,5 T an’ny mpandraharaha miisa 43 no nalefa any SAMBAVA ary misy entana milanja 4 T ho entina eto Antananarivo avy any SAMBAVA. Faniriana ny hisokafan’ny lanitra Malagasy, hoy ny Tale jeneralin’ny TSARADIA.