samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 21 mai 2020

Covid-19 : teratany Frantsay 180 no tokony hody maika any Frantsa

0
Rahampitso 21 Mai no hanantanteraka sidina manokana hitondra frantsay sy eropeana hody any Frantsa i Air France. Amin’ireo frantsay sy eroepana 1500 nisoratra anarana, 180 amin’izany no voasokajy ho olona mila mody maika.

Minisiteran’ny mponina : natao fitiliana avokoa ireo mpiasa rehetra

0
Natao fitiliana avokoa ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny mponina tamin’ity androany ity ahafantarana na misy voan’ny Coronavirus na tsia. Miandry ny valin’ny fitiliana ankehitriny hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera.

ANTENIMIERAMPIRENENA : mitaky ny fanjakana Frantsay hidinika an-databatra boribory

0
Androany no nanao ny fanambarana ofisialy amin’ny fanohanana ny foto-kevitry ny fanjakana malagasy amin’ny fitsipahana ny vinan’ny governemanta frantsay hamadika ny Nosy sambatra ho tahirin-javaboahary ny Antenimierampirenena. Ankoatran’ny antso amin’ny fiverenana midinika an-databatra boribory, mangataka ny fanelanelanana ataon’ireo vondrona regionaly toy ny SADEC sy ny firaisambe Afrikana ihany koa ny Antenimierampirenena.

Tazomoka – Androy : misokatra ny fanadihadiana ho an’ireo mpanely tsaho

0
Misokatra ny fanadihadiana ho an’ireo mpanely tsaho, izay milaza fa tsy mahasitrana Tazomoka akory ny fanafody omen’ny fanjakana, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Ambovombe Androy. Efa fantatra ny tompon’antoka amin’izany eny anivon’ny tambazotran-tserasera hoy hatrany ny zandary.

Mpitatitra – Zotra nasionaly : manome 24 ora ny tomponandraiki-panjakana

0
Manome 24 ora ny tomponandraiki-panjakana hijerena manokana ny momba azy ireo ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly miainga eo amin’ny Gare Routère Maki ho any amin’ny faritra. Tateraho ny fampanantenana nomena hahafahana miatrika izao ady amin’ny COVID 19 izao hoy izy ireo. Aorian’ny 24 ora, hiroso amin’ny endrika fitakiana hafa izy ireo raha tsy misy valiny.

Tsaradia : hanomboka ny “ vol tout –cargo “

0
Sempotra ny orinasa tsy ankanavaka vokatry ny fipariahan’ny coronavirus. Isan’izany ny kaompaniam-pitaterana Tsaradia izay mifamatotra amin’ny Air Madagascar. Nanomboka ny 24 Martsa teo, manodidina ny 3 tapitrisa dolara ny fatiantoka ho azy ireo . Manoloana izany, enti-manarina tsikelikely ny orinasa sy fanohizana ny fampiodinana ny toekarena, hiompana amin’ny vol tout - cargo izy ireo manomboka ny Alahady izao.