samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 mai 2020

Fianakaviana Zoto : nigadona tao amin’ny kaominina Mahitsy ny hariva teo

0
Rahampitso no hanohy ny diany hiazo an’i Mahajanga ny fianakaviana zoto raha ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety androany. Niavaka ny fandraisan’ny mponina teto Antananarivo azy ireo raha ny fanazavana.

Kianja Masoandro : entina hampahafantarana ny tantara

0
Miteraka resabe ao amin’ny tambazotran-tserasera ny fisian’ny fanorenana lehibe ao anatin’ny Rovan’Antananarivo, na ny lapan’i Manjakamiadana. Amin’ny ankapobeny, mizarazara ny hevitr’ireo maneho hevitra ao amin’ny facebook, misy ireo mitsikera izany, ary misy ireo milaza fa tsy mampiova ny hasin’ny Rova ny fanamboarana atao. Tsy eto Madagasikara ihany, efa fanao any amin’ny firenena maro ny fanavaozana rova tahak’izao, raha ny zava-misy maneran-tany no jerena. 

Fehin-kevitry ny ONU : tsy manan-kery ny didim-pitondrana Frantsay momba ny Nosy Malagasy

0
Tsy azo hivalozana ny fehin-kevitry ny firenena mikambana mahakasika ireo nosy malagasy ary tsy maintsy tanterahina. Noho izany tsy manan-kery ny didim-pitondrana noraisin’ny governemanta frantsay mahakasika ny nosy sambatra na îles glorieuses. Mety hiteraka sazy eo amin’ny lafiny toe-karena sy diplaomasia ho an’i Frantsa ny tsy fanatanterahana izany.

OMS : hanohana ny fanaovana andrana ny Covid Organics

0
Hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanaovana ny andrana ny tambavy covid organics ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana ary hanao sonia ny fifanarahana hitazomana ny tsiambaratelon’ny singa nanamboarana izany. Ireo no nivoitra nandritra ny resaka nifanaovan’ny Filoha Andry RAJOELINA tamin’ny tale jeneralin’ity sampandraharaha ity. Ankoatra izay, voafidy ho isan’ny handrafitra ny filankevitra mpanatanteraky ny OMS hatramin’ny taona 2023 ihany koa i Madagasikara.

ANTENIMIERANDOHOLONA : hitondra fanatsarana maro ny lalàna mifehy ny fiantohana

0
Lany teny anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ity herinandro ity ny Lalàna mifehy ny fiantohana eto Madagasikara. Maro ny teboka nitondran’ny Loholon’i Madagasikara fanovana ka isan’izany ny rafitra hisahana ny fanarahamaso ny asa manodidina ny sehatry ny fiantohana.  Maro ihany koa ny tolotra vaovao ho sitrahan’ny vahoaka malagasy manombok’izao, hoy ny fanazavana.

« Ascension » : mitaky fitondran-tena mendrika amin’ny mpino Kristianina

0
Ho an’ny mpino kristianina, marihina androany 21 Mai ny andro niakaran’i Jesosy Kristy velona tany an-danitra na ny “Ascension”. Ho an’ireo fiangonana sasan-tsasany, nisy ny fotoam-pivavahana. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny mpitandrina nanaovana fanadihadiana, fehin-kevitry ny andro fiakarana ny fahatahorana an’Andriamanitra.