Archives mensuelles: mai 2020
Fanesorana Box tsy ara-dalàna : nilamina ny teny amin’ny boriborintany faha 4
Box tsy ara-dalàna miisa 12 no nakaton’ny tomponandraikitry ny tsena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra androany. Amin’ny ankapobeny, nilamina ny fanesorana raha ny hita teny an-toerana. Ho hentitra hatrany ireo tomponandraikitra manolona ireny fanorenana tsena tsy manaran-dalana ireny, ary hitohy amin’ny faritra hafa izany.
Lalàna mifehy ny famokarana ara-biolojika : lany teo anivon’ny Antenimierandoholona
Lany teny anivon’ny Antenimierandoholona Anosy androany ny volavolan-dalana mifehy ny famakorana ara-biolojika na ny “agriculture biologique”. Ity lalana ity izay hahafahana mifehy ny famokarana sy ny fanomezan-danja ny vokatra misy eto Madagasikara.
« Immeuble R+4 » – Ivato : mandeha araka ny tokony ho izy ny asa
Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ireo « Immeuble R+4 » eny Ivato amin’izao fotoana izao na eo aza ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Ho tratra araka ny fe-potoana napetraka ny fahavitan’ny asa raha ny nambaran’ny topmponandraikitra eo anivon’ny Analogh.
Andrana ara-pahasalamana : samihafa ny tambavy CVO sy ny andrana ara-pahasalamana atao
Tsy marina ny feo miely fa ho avadika tsindrona ny tambavy covid organics ary anaovana andrana ara-pahasalamana. Fitambarana fanafody roa izay tsy misy hifandraisany amin’ny tambavy covid organics no hanatontosana ny handrana ara-pahasalamana hitsaboana ireo mararin’ny coronavirus. Tsy vaksiny ihany koa io tsindrona io fa fomba fitsaboana raha ny fanazavana.
Fandaniana ny lalàna mifehy ny mpanohitra : miandry ny fanapahan-kevitr’ireo Loholona
Miandry ny fanapahan-kevitra horaisin’ireo Loholon’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna hifehy ny ny mpanohatra eto Madagasikara. Araka izany mitodika eny amin’ny lapan’Anosikely ny mason’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe, holanian’izy ireo izany sa tsia.
Sata mifehy ny lalana: navadika ho lalàna
8 000 km amin’ny lalam-pirenena mirefy 12 000km eo ho eo no vita tara eto Madagasikara. Tsy ampy ary maro ihany koa no ratsy amin’ireo tambazotran-dalana misy. Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka Malagasy ny amin’ny fanamboarana sy fanavaozana ary fampitomboana ireo tambazotran-dalana eto Madagasikara, nanapa-kevitra ny fitondrana ka namadika ho lalàna ny sata mifehy ny lalana, mba hahafahana mametraka mazava tsara ny anjara andraikitry ny ambaratongam-pahefana rehetra.
SAMBAVA : mihenjan-droa ny tady eo amin’ny ben’ny tanàna sy Solombavambahoaka
Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ben’ny tanàna ao Farahalana sy ny Solombavabahoaka ao Sambava manolona ny fanafoanan’ny fanjakana ny titre ny tany ao amin’ny Villa Commune ao Farahalana. Androany, niteraka savorovoro
26 jona 2020 : eo amin’ny araben’ny fahaleovantena no hanaovana ny matso lehibe
Eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena Analakely no tapaka fa hanaovana ny matso lehibe, hanamariahana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovan-tena sy ny nijoroan’ny foloalindahy Malagasy. Ferana ireo olona afaka manatrika izany raha ny fanazavan’ny lehibeny Etamazaoron’ny Tafika androany.
Journée de l’Afrique : miantso ny rehetra hametraka fomba fiady vaovao ny filohan’ny UA
Nandritra ny fankalazana ny Journée de l’Afrique omaly, niantso ny rehetra hametraka fomba fiady vaovao ny filohan’ny Fivondronam-be Afrikana na ny Président de la Commission de l’Union Africaine, Moussa FAKI MAHAMAT. Manoloana izany, nanamafy hatrany fahavononany sy ny fiombonana amin’i Afrika ny mpitondra fanjakana Malagasy, tamin’ny alalan’ny minisitry ny raharaham-bahiny. Ny fankalazana izay niavaka tamin’ity taona ity noho ny fisian’ny ady atao amin’ny CORONAVIRUS.
Toamasina : notolorana fitaovana maro hiadiana amin’ny Coronavirus
Tsy namela ho irery an’i Toamasina ny Filohan’ny repoblikan’i Madagasikara RAJOELINA Anry fa nidina tany an-toerana androany. Fepetra hentitra maro samihafa no apetraka ankehitriny. Nanolotra fitaovana maro samihafa ihany koa ny fitondram-panajakana ary mpitsabo sy Mpitsabo manampy 29 mianadahy avy any Antananarivo nanolo-tena hanampy sy hifanome Tanana amin'ny fitsaboana eto Toamasina. Ny fandresean ny valan’aretina no tanjona raha ny nambaran’ny filoha.