dimanche 05 mai 2024
Accueil 2020 juillet

Archives mensuelles: juillet 2020

Filazana manjo : nitombo avo 4 heny eo ho eo ankehitriny

0
Nitombo hatramin’ny avo 4 heny ny isan’ireo filazana manjo miseho anaty gazety isan’andro, nanomboka tamin’ny nisian’ny valan’aretina coronavirus. Saika olona efa nahazo taona ny ankamaroan’ireo nodimandry, ary isaky ny sabotsy no tena betsaka izany raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotra eo anivon’ny gazety mpiseho isan-kerinandro iray.

FIVMPAMA : zava-dehibe ny famelana ny sehatr’asa rehetra hisokatra

0
Namaly ny fitarainan’ny mpandraharaha sy ny orinasa tsy miankina isan-tokony ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana anatin’ny 15 andro manaraka eto Analamanga. Zavadehibe ny namelana ny sehatr’asa rehetra hisokatra hatramin’ny 1 ora tolakandro hoy ny teo anivon’ny FIVMPAMA. Mitaky fepetra hentitra avy amin’ny mpampiasa ankilany ny fampiodinana ny orinasa anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana, hoy ny minisitry ny varotra sy ny indostria.

CTC Mahamasina : nanomboka nandray olona androany

0
Nanomboka nandray olona tamin’ity androany ity ny Centre de Traitement Covid-19 etsy Mahamasina. Mandray ireo marary rehetra ny ivon-toerana, ary miara-miasa akaiky amin’ny Plateforme Nationale de Gestion Covid-19 izy ireo momba ireo marary anatin’ny « forme grave ».

Filohan’ny Repoblika : nanatitra fanafody sy nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Mahajanga

0
Tonga nanatitra fanafody sy nankahery ireo mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny hopitaly manara-penitra Mahavoky atsimo, Mahajanga ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara sy ny vadiny omaly . Ohatra amin'izany ireo respirateur d'oxygene, vitamine ary fitaovana hampiasan'ireo mpitsabo mandray an-tanana ireo marary. Teo ihany koa ny fanomezana ny prime de risque sy ny indemnité ho an'ireo mpitsabo. 

Filoha Andry RAJOELINA : nitsidika sy nankahery ireo mpiasan’ny fahasalamana ao Nosy Be

0
Taorian'ny tao Mahajanga, nitsidika sy nankahery ireo mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny hopitaly CHRB Nosy Be ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny vadiny. Nanatitra fanafody sy fitaovana hiadiana amin'ny Coronavirus ary nanolotra ihany koa ny Indemnité de risque sy ny prime ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra ao an-toerana.

Fitaterana : mahazo manao taingin-droa ireo mpandeha moto eto an-drenivohitra

0
Mahazo mivezivezy mitondra olona roa ireo moto eto an-drenivohitra nanomboka androany raha ny fepetra vaovao napetrakin’ny fitondram-panjakana. Manolohana izany, ireo mpihavana sy ireo mpiara miasa manana taratasy fanamarinana ihany no afaka manao izany. 

Rodoben’ny mpanohitra : mangataka Governemanta fiaraha-mitantana

0
Tsy tana intsony, niverina indray ny fitakiana fiaraha-mitantana ataon’ny antoko TIM avy amin’ny fampiasana ny  RMDM na ny Rodoben’ny Mpanohitra eto Madagasikara. Fitakiana izay efa tsy manaitra ny be sy ny maro intsony raha ny tantaram-pirenena sy ny fomba fanaovan’ny filoha teo aloha Politika no jerena. 

Lalam-pirenena faha 2 : voahaja ny fanaraha-maso ny fivezivezena

0
Nihena ny fandikan-dalàna eny anivon’ny lalàm-pirenena faha-2 iny amin’izao fotoana iza amin’ny fampanajana ireo fepetra rehetra efa noraisina tsy hiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus. Niroso tamin’ny fidinana ifotony ny teo anivon’ny mpitandro filaminana telo tonta ho an’ity androany ity.

Coronavirus : mpianatra ho zandary 5 any Ambositra, 22 any Moramanga no marary

0
Mpianatra ho zandary eo anivon’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena miisa 5 ao Ambositra ary 22 any Moramanga no fantatra hatreto fa mitondra ny tsimok’aretina Coronavirus amin’izao fotoana izao araka ny tatitra avy eo anivon’ny zandarimaria. Mitotaly 263 kosa ireo mpianatra mitondra ny soritr’aretina eny anivon’ny sekolin’ny zandarimaria any Ambositra.

Sosialim-bahoaka: mila fijerena manokana

0
Tsy mahafeno ny banga amin’ny filàna andavanandro ny fanampiana avy amin’ny fanjakana noho ny famerana ny fotoana hiasana raha ny nambaran’ireo tokantrano nanaovana fanadihadiana androany. Tokony hijery vahaolana manoloana izany ny tomponandraikitra isan-tokony raha ny fanazavana.