vendredi 26 avril 2024
Accueil 2021 avril

Archives mensuelles: avril 2021

Toamasina : ahiana hirongatra indray ny valan’aretina Covid-19

0
Ahiana hirongatra indray ny  Covid-19 ao Toamasina ankehitriny vokatry ny tsy fampiharana ireo fepetra sakana maro samihafa entina hisorohana ny fiparitahan’ny vanal’aretina. Ankilany, tsy ampy ny Oxygène hitsaboana ny marary ka voatery mividy any ivelany ireo mpitondra marary.

COVID-19 : hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 Alarobia

0
Ho fandraisana an-tanana ireo mararin’ny COVID-19, hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 eny amin’ny Lycée Technique Alarobia. Ny ivon-toerana eny Alarobia izay handray an-tanana ireo antsoina hoe « formes modérées » izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ireo mpitsabo fa afaka  hampiasaina ireo « concentrateurs d’oxygène » tahaka ny eny Mahamasina.

Politikam-pampandrosoana : tsy mbola mipaka mivantana amin’ny tanora

0
Tsy mbola tena mipaka mivantana amin’ny tanora ny politikam-pampandrosoana sy ireo programan’asa entina hampandrosoana ny tanora eto amintsika hoy ny teo anivon’ny Observatoire de la Jeuneuse araka ny tatitra nataon’izy ireo androany. Tokony hanova ny politika ho an’ny tanora isika eto Madagasikara raha tiana ny hisy fampandrosoana.

Rocade d’Iarivo : vinavivaina hisokatra amin’ny volana jona 2021

0
Ny farany volana jona no vinavinaina ho afaka ampiasaina  ny fanamboaran-dalana Rocade avaratra Atsinanana sy Atsinanana, izay mirefy 8,2km . Androany nijery ny  fizotry ny asa fanamboaran-dalana  ny   Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa Vaventy, ny masoivoho ny Frantsa monina eto Madagasikara  ary ireo mpiara-miombon’antoka maro namatsy vola ny tetikasa.

Ambodimita : jiolahy 02 lavon’ny mpitandro filaminanaAmbodimita : jiolahy 02 lavon’ny mpitandro filaminana

0
Jiolahy 02 no maty voatifitry ny mpitandro filaminana io hariva io teny Ambodimita. Raha ny angom-baovao natao, nikasa hanatanteraka fanafihana mitam-piadiana sy nangalatra fiara izy ireo ka nenjehin’ny mpitandro filaminana, rehefa nifamaliana ny tifitra, jiolahy 02 no lavo, 01 azo sambom-belona ary iray hafa tafatsoaka. (Ialana tsiny amin’ireo izay mety ho tohina amin’ny sary)

Fialan-tsasatry ny mpianatra mandritry ny Paska : haharitra 15 andro

0
Hisorohana ny fipariahan'ny valanaretina Covid-19 , haharitra 15 andro ny fialan-tsasatry ny mpianatra, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, mandritry ny Paska izay hanomboka ny zoma izao. Tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny fanatratrarana ny programam-pampianarana izany raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny CISCO Tanà ville. Mihidy ao anatin’ny 14 andro kosa ny sekoly ahitana trangana Covid-19 miisa 3.

HCC : fantatra avokoa ireo mpikambana miisa 09

0
Notendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara androany ireo mpikambana miisa 03, anjarany ao amin’ny Fitsarana ao momba ny lalam-panorenana. Fantatra avokoa araka izany ireo mpikambana eo anivon’ny HCC eny Ambohidahy.

Hetsika notarihin’ny Monima tany Atsimo : feno 50 taona androany

0
LancementFeno 50 taona androany ny hetsika fitakiana ny fahalalahana notarihan’i Monja Jaona sy ny Antoko Monima tany amin’ny faritra Atsimo izay namoizana aina malagasy maro. 50 taona aty aoriana, tsy mbola tratra ny tanjona hoy i Monja Roindefo, tsy mbola miaina ny tena fahalalahana sy ny demokrasia ny vahoaka Malagasy.

0
01 Avril, ny fetin’ny lainga no ahafantaran’ny ankamaroan’ny olona io datin’andro io. Mankalaza izany avokoa ny olona rehetra maneran-tany fa ny firenena isan-tokony no samy manana ny fomba hanamarihany azy. Inona tokoa no tena nihavin’ny teny hoe poisson d’avril?