Archives quotidiennes: 8 janvier 2021
Fanondranana volamena 73,5kg : olona 11 hatreto no atao famotorana
Tafiakatra 11 ireo atao famotorana amin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5Kg tratra tany Afrika Atsimo. Androany nisy ny fivorian’ireo minisitera voakasik’ity raharaha ity teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ary an-dalana ny fifampidihihina amin’ny fampodiana ireo volamena sy ireo olona 3 voatazona any Afrika Atsimo.
Mpianatry ny ENS: nihaona tamin’ireo tomponandraiki-panjakana
Nisy ny fihaonana teo amin'ny solontenan'ireo mpianatra eo anivon'ny Ens sy ny minisitera tomponandraikitra androany manoloana ny fitakian'ireo mpianatra. Tsy mbola nisy ny hevitra tapaka nandritra izany ka nanohy ny hetsika ireo mpianatry ny Ens. Nihetsika nanampy azy ireo ihany koa ny mpianatra ao Antsiranana androany.
Fifidianana Loholona : navoaky ny HCC androany ny vokatra ofisialy
Toerana 10 no azon’ny lisitra kandidà avy amin’ny IRMAR na ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina eny anivon’ny Antenimieran-doholona. 2 ho an’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Izay raha fehezina ny vokatra ofisialy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena mahakasika ny fidianana Loholona ny 11 desambra lasa teo.
Loholon’i Madagasikara : vonona hiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana
Vonona ny hifanohana amin’ny fahefana mpanatanteraka hisian’ny fampandrosoana marina ny firenena ny Loholon’i Madagasikara vaovao. Ankoatran’ny fandinihana sy ny famolavolana lalàna, ho jerena manokana ny lafiny fiahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana hisian’ny tena fampandrosoana marina araka ny fanazavana.
Axe Ankadimbahoaka – Anosizato : manomboka ny asa fanamboaran-dalana
Manomboka ny asa fanamboarana ny lalana miainga eo amin’ny kion-dalan’Ankadimbahoaka mihazo an’Anosizato ankehitriny raha ny nambaran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Haharitra iray volana ny fanatanetrahina ny asa ary misy ny fandaminana napetraka amin’ny fandrindrana ny fifamoivozana eny an-toerana mandritra izany.