vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 janvier 2021

Ady amin’ny Covid-19 : mila ezaka goavana ny hifehezana ny valan’aretina

0
Manoloana ny fidiran’ny firenena maro manerantany amin’ny 3ème vague de Covid-19, goavana ny ezaka andrasana amin’ny rehetra tsy ahatongavan’i Madagasikara amin’izay, hoy ny solontena maharitry ny UNICEF androany. Voalohany ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana indrindra ny lafiny famatsian-drano hanamafisana ny fanasana tanana

Fotodrafitrasa amin’ny lalam-pirenena : maro no manimba azy

0
Mateti-mitranga eny amin’ny lalam-pirenena samihafa manerana ny Nosy ny fangalarana singa sy fanimbana fotodrafitrasa iombonana. Isany nahitana izany ny tany amin’ny lalam-pirenena faha-34, faritra vakinankaratra, nisy ny fangalarana aro fanina amin’ny tetezana. Manao antso avo ny tokony hanajan’ny rehetra ny fotodrafitrasa iombonanana manoloana io ny tompon’andraikitra.

Plan Emergence Madagascar : amin’ity volana ity no hanoloran’ny fanjakana azy

0
Nohamafisin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha androany  fa amin’ity volana ity no hanolotra ny « Plan Emergence Madagascar » ny fitondrana ankehitriny. Io no isan’ny nisongadina nandritra ny fiarahabana tratry ny taona ny filoham-pirenena mivady natoan’ireo mpikambana eo amin’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, izay notarihin’ny filohan’ny HCC. Tonga nanome voninahitra ny filoha mivandy ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimeram-pirenena.  

Ankirihiry – Toamasina : trano 06 kilan’ny afo noho ny tsy fitandremana

0
Trano 06 no indray kilan'ny afo ny maraina tao Ankirihiry Toamasina. Firehetana niainga tamina trano fivarotana menaka fiara no niandohan'ny afo ka niitatra tamin’ireo trano 05 hafa manakaiky azy. Ny fisian’ny « huile vidange » izay nipoaka avy ao anaty daba fitahirizana no nampanano sarotra ny famonoana ny afo izay tsy voafehy raha tsy ora iray taty aoriana.

Vidin’entana : mbola midangana ny vary vokarina avy eto an-toerana

0
Miaka-midina ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fiandohan’ny volana janoary izao. Raha isany entana ilaina andavan’andro mbola nahitana fiakarany ny vary indrindra ny avy eto an-toerana, nidina ny vidin’ny legioma toy ny karaoty sy ny ovy raha ny fanadihadiana natao teny Anosibe androany.

Afrika Atsimo : nahatratra volamena milanja 73,5kg avy aty Madagasikara

0
Volamena milanja 73,5 Kg avy aty Madagasikara, nokasaina hahondrana any Dubai no saron’ny mpiasan’ny fadintseranana tao Afrika Atsimo niaraka tamina olona 3. Hatreto olona iray no voasambotry ny mpitandro filaminana sy ny fadin-tseranana Malagasy. Mampametra-panontaniana ny nahatafavoaka izao harem-pirenena izao tany ivelany.