samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 avril 2023

Vakinankaratra : tontosa tao Antsirabe ny fankalazana nasioanaly ny andron’ny Zandarimaria

0
Tontosa tao Antsirabe nandritra ny 04 andro ny fankalazana Nasionaly ny andron’ny Zandarimariam-pirenenaMaro ireo hetsika nataon’ireo zandary nanamarihana izany tany an-toerana .Nandritra izao fankalazana izao ihany koa no nanaovana ny famindram-pahefana tamin’ny Colonel ANDRIAPENO HARIVELO SAMI izay voatendry hitantana ny Vondrony tobim-paritra Zandarimaria ao vakinankaratra.

Fitokanana toeram-pivarotana « friperie » : 3 volana tsy mandoa hetra ireo mpivarotra

0
Nametraka lamina vaovao ny fiaidian’ny tanàna ao Antsiranana manoloana ny fahamaron’ireo mpivarotra friperie any an-toerana. Nisy araka izany ny fanomezana azy ireo toearam-pivarotana vaovao ao amin'ny Boulevard Binao. Trano eva manodidina ny 400 isa ary vola madiodion'ny commune Antsiranana no nanatanterahana izany.

Polisim-pirenena Mahajanga : jiolahy 23 nampihorohoro vahoaka tao Mahajanga no tratra

0
Jiolahy miisa 23 tsy nampandry fahalemana tao Mahajanga tampon-tanana no voasambotry ny Polisim-pirenena. Sasany tamin'izy ireo mpamaky Trano miaraka amin'ny pilotra, ao kosa ireo mpanao sintomahery,ny mpifoka zavamahadomelona sy ireo mpivarotra rongony, sns. Ny hamongotra ireo olon-dratsy ao Mahajanga no tanjon'ny Polisim-pirenena Ary manao antso avo amin'ny fokonolona amin'ny Fanomezana loharanombaovao.

Fifidianana 2023 : tokony hasiana sivana ireo kandida hirotsaka

0
Manahy ireo mpanao politika fa ny zavatra nitranga tamin’ny taona 2002 ihany noho hiverina amin’ity fifidianana ity. Tokony hisy ny fepetra raisina ary tokony hasiana ny firotsahana ho filoham-pirenena raha ny fanazavana.

FANAPARAM-PAHEFANA : tsy ampy ny fanaraha-maso ireo olona nampindramina fahefana

0
Ny tsy fahampiana na tsy fisian’ny fifampitaizana sy ny fanaraha-maso ireo olona nampindramina ny fahefana no isan’ny antony mahatonga  ireo endrika fanaparam-pahefana miseho lany ankehitriny hoy i Paul Rabary. Tsy hita mazava ihany koa ny fampiarana ny lalàna ho an’ireo manao izanyn antony tsy mahafoana ity trangan-javatra ity.

Jesosy mamonjy Tsarahonenana: nakaton’ny prefektioran’Antananarivo

0
Tsy nisy ny fotoam-pivavahana tao amin’ny fiangonana jesosy mamonjy Tsarahonenana androany. Nakaton’ny prefektoran’Antananarivo ity fiangoanana ity. Anton’izany ny  fifandomana teo amin’ireo  mpino roa tonta tamin’ny sabotsy 25 martsa lasa teo teny an-toerana  raha ny fanazavana hatrany.