vendredi 03 mai 2024
Accueil 2018 avril

Archives mensuelles: avril 2018

Solombavambahoaka ho an’ny fiovana: tafapetraka ny motion de déchéance.

0
Tafapetraka eny amin'ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny fangatahana fialan'ny filohampirenena amin'ny fomba ofisialy na motion de décheance nataon'ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Tsy faka hiroso amin'ny fandravana ny antenimieram-pirenena araka izany ny filohampirenena.

SADC : ho avy eto Madagasikara indray i Joaquim Chissano

0
Ho tonga eto Madagasikara ny iraka manokan'ny Sadc Joaquim Chissano filohan'ny repoblika Mozambika teo aloha. Hijery vahaolana amin'ny rahara politika sy hanamora ny firosoana amin'ny fifidianana no tanjona amin'io dia io.

Solombavambahoakan’ny fanovana : ho eny amin’ny fitsarana Anosy sy HCC Ambohidahy androany

0
Fintin'ny tontolo andro omaly teny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely sy ny fandraisam-pitenenan'ireo solombavambahoaka fa ho eny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy izy ireo sy ny fianakavian'ny manam-pahoriana hitory ireo izay nandatsa-drà ary ho eny amin'ny fitsarana avo momban'ny lalampanorenena ihany koa.

Fifidianana 2018: Mila lalàmpifidianana eken’ny rehetra.

0
Tokony foanana ny lalàmpifidianana lany teo ary haverina hodinihin'ireo solombavambahoaka, na ny lalàmpifidianana nampiasaina niatrehana ny fifidianana 2013 no enti-mitraika ny fifidianana amin'ity taona ity. Izay no anisan'ny nisongadina tamin'ny fanambaran'ny UNRRM na ny union nationale pour la refondation et la reconstruction de Madagascar sy ny fikambanana tsy miankina iray. Ankilany ihany koa ny KMF CNOE manamafy ny fitakiana fifidianana eken'ny rehetra.

Polisim-pirenena : samy maneho ny heviny ireo milaza ho lohan-dohany

0
Manohana ny hetsiky ny solombavambahoaka ho an'ny fiovana ny sendikan'ny mpiasan'ny jirama sy ny Sendikan'ny Inspecteur de Police ary ny Sendikan'ny Brigadier et agent de police izay manambatra ny maro an'isa indrindra eo anivon'ny Polisim-pirenena. Ny hariva teo nefa, nanao fanambarana nitsipaka ny fanambaran'ireo sendika ireo ny tomponandraikitra ambony eo anvion'ny polisim-pirenena.

Kolikoly teny amin’ny antenimieram-pirenena : tsy misy mipika ny tohin’ny fanadihadiana

0
20 andro taorian'ny fitoriana napetrak'ireo solombavambahoaka mitsipaka ny fandaniana ny lalàmpifidianana teny amin'ny BIANCO, tsy misy mipika ny valin'izay fanadihadiana izay. Raha nanontaniana mikasika izay ny tale jeneralin'ny BIANCO dia nilaza fa tsy mbola misy azo ambara hatreto.

Declaration préfet

0
Raha toa ka nilaza ny filohan'ny Repoblika afak’omaly, nandritra ny tafa nataony tamin'ny haino amanjery sasan-tsasany niantso ny mpitandro filaminana hanakana ny fidirana ao amin'ny Lapàn'ny Tanàna, nilaza kosa ny Préfet de Police Antananarivo omaly maraina fa baiko ho fiarovana ny fihoaram-pefy ihany no nomeny ny mpitandro ny filaminana.

Factuel Analakely et ambiance

0
Namono lolo vao maraina saingy nilefitra rehefa atoandro. Izay ny zava-nitranga teny Analakely omaly maraina manoloana ny hetsik'ireo Solombavambahoaka sy ny fandraisana ny vatana mangatsiakan'ireo namoy ny ainy. Tsy nisy ny fifandonana, tafiditra tao amin'ny lapan'ny tanàna ny olona , ny Solombavambahoaka ary ny razana.

Factuel Famangiana

0
Tonga teny amin'ny Parvis Analakely niara ory tamin'ireo mana-manjo nahafoy ny ainy ho an'ny tanindrazana ireo mpitarika antoko politika toa ny Filohan'ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, ny Filohan'ny Tetezamita teo aloha Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Ravalomanana. Tao anatin'ny filaminana no nanatanterahana izany.

Fanambarana MDN

0
Fotoana fohy taorian'ny fanambarana nataon'ny prefet de police omaly maraina, nanao fanambarana ihany koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena mikasika ny fanakanana hiditra teny amin'ny Lapàn'ny Tanàna. Tsy manatanteraka iraka manokana mifanohatra amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ireo mpitandro filaminana raha ny fanambarana nataon'ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy fialana amin'ny mety hisian'ny korontana no anton'ny fisitahan'ny mpitandro filaminana raha ny fanazavana hatrany.