dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 février 2019

Serasera : manana ny lanjany ny onjam-peo eto Madagasikara

0
Manoloana ny firoborobon’ny teknolojia sy ny fitaovan-tserasera, mbola manana ny lanjany hatrany ny onjam-peo eto Madagasikara. Androany, nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana teo amin’ny talen’ny famoahana eto amin’ny Kolo-tv fm sy ny talen’ny famoahana eo anivon’ny radio nasionaly malagasy. Fifanakalozan-kevitra nokarakarain’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.

BIANCO : kolikoly tamin’ny fandaniana ny lalàna hifehy ny fifidianana – tsy tapitra fa mbola mitohy ny fanadihadiana

0
Tsy tapitra hatreo akory ny fanadihadiana ireo Solombavambahoaka voarohirohy ho nandray vola 50 tapitrisa Ariary tamin’ny nandaniana ny lalàna hifehy ny fifidianana tamin’ny volana aprily taona 2017 ireny raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO fa mbola mitohy ary tsy maintsy hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ny raharaha.

SMM : miantso ny mpitsara rehetra hifidy rahampitso

0
Hotanterahina rahampitso Zoma faha 15 Febroary ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny sendikan'ny mpitsara rehetra manerana an'i Madagasikara izay mivondrona ao amin'ny SMM. Laharam-pahamehana ho an'ity sehatra ity ny fametrahana ny fahaleovan-tenany eo am-panatanterahana ny asany izay mbola tsy mipetraka araka ny tokony ho izy raha ny fanazavana.

Fisamborana an’i Mbola RAJAONAH : fanatanterahana baiko avy amin’ny PAC, hoy ny mpahay lalàna

0
Fanatanterahana baiko avy amin’ny PAC na ny POLE ANTI-CORRUPTION ny anton’ny fisamborana an’i MBOLA RAJAONAH teny Antsahabe omaly hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana. Mbola tsy nahazoana fanampim-baovao ofisaly kosa ankilany ny polisim-pirenena nanao ny fisamborana ho antoky ny tsiambaratelon’ny famotorana.