dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 9 février 2019

Apipa : miantso ny fandraisan’andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA

0
Tohin'izay raharaha izay hatrany, manambara ny Apipa fa ny tsy fandraisan'andraikitry ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny SAMVA no isan'ny antony nahatonga ny arabe an'Antananarivo ho dibo-drano omaly. Taorian'ny fanadiovana ny tatatra sy ny lakan-drano natao ny taona 2018, tsy tokony hisy ny tranga toa ireny raha ny nambaran'izy ireo.

Communiqué CUA 

0
Kaominina –Antananarivo : miezaky ny manadio tena hoy ny mpanara-baovao Tsy hita mazava ny fepetra noraisin’ny kaominina taorian’ny famoahanany ny fampitam-baovao momba ny fampanajana lalàna eto an-drenivohitra. Efa tara ihany koa ny famoahana izany hoy ny mpanara-baovao. Isany nitaky izany indrindra ny vondron’ny koperativam-pitaterana eto andrenivohitra.

Conseils des ministres

0
Ady amin’ny tsy fandriampahelamana : ho tonga afaka 2 volana ny angidimby 5 Anisan’ny nisongadina tao amin’ny filankevitry ny minisitra omaly tao amin’ny lapan’Ambotsirohitra ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Ho tonga afaka 2 volana ny angidimby hoampisain’ny mpitandro ny filaminana. Nomena toromarika ihany koa ireo tompoandraikitra mivantana rehetra. Ankilany, nanome baiko ny hanatanterahana audit amin’ireo fahazoandalana hanorina trano eny amin’ny manodidina an’Ampamarinana ny filoha.

CRIMAD: hisy ny fiofanana ho an’ny mpaka sary

0
Zava-dehibe ny fifampitaizana sy ny fifanampiana amin’ny samy mpaka sary araka ny nivoitra nandritry ny fihaonan’ny mpikambana eo anivon’ny CRIMAD na ny Collectif des Reporters d’Image de Madagascar androany. Hisy raha ny fanazana ny fampiofanana ny mpaka sary entina hanamafisana ny traikefa.

Kitrotro : distrika 104 no voakasika amin’izao

0
Na efa nahitana fivoarana aza ny fanaovana ny ampahany voalohan’ny vakisiny faobe fanefitry ny kitrotro farany teo, tsy mbola fongotra ny valanaretina kitrotro eto Madagasikara. 75% n’ireo distrika no efa ahitana izany amin’izao ary tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo maty

Arabe dibo-drabo omaly : vokatry ny tsy fanesoran’ny tomponandraikitra ny fako

0
Vokatry ny tsy fanesroan'ny Samva sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fako ara-potoana no fototra iray lehibe nahatonga ny arabe maro teto an-drenivohitra ho dibo-drano omaly hoy ny APIPA. Ny mpitantana ny tananan'Antananarivo izay mitavozavoza eo amin'ny fandraisan'andraikitra raha ny zava-nisy tamin'ity androany ity.