dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 février 2019

Code de la communication : ho jerena isaky ny toko sy andininy

0
Hohatsaraina ny lalàna mifehy ny fifandraisana sy ny serasera na ny Code de la Communication izay niadian'ny mpanao gazety hatrizay. Homena endrika vaovao ihany koa ORTM na ny haino aman-jerim-panjakana hoy ny Sekretera jeneraly eo anivon'ny ministeran'ny fifandraisana sy ny serasera ary ny kolontsaina androany.

RAZAFIARISON Francis : laharampahamehana ny fanatanterahana ny « PGE »

0
Isan’ny nanaitra ny mpanara-baovao sy ny niteraka faneoankevitra maro tamin’ny tambazotran-tserasera ny fanendrena an’i RAZAFIARISON Francis na Francis Turbo ho tale jeneraly misahana ny kolontsaina eo anivon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontaina. Nisy ny resaka nifanaovan’ny mpanao gazetin’ny Kolo TV taminy. Ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny no laharam-pahamehana raha ny nambarany.

SEFAFI : «  Miandry ny fanatanterahan’ireo asa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika  »

0
Mampisy fanantenana ny politikam-panjakana ankapobeny. Miandry ny fanatanterahana ny asa ny rehetra. Izay amin’ny ankapobeny ny fanehoankevitry ny avy eo anivon’ny SEFAFI manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao nandritry ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety androany.

Oniversite an ‘Antananarivo : nanomboka androany ny fampielezan-kevitra

0
Andro voalohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ny filohan’ny oniversitean’Antananarivo. Amin’ny ankapobeny, saika niompana amin’ny fanavaozana ny oniversité , ny famahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka ny votoatin’ny asa kasain’ireo mpifaninana 3 ho tontosaina.