dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 26 février 2019

Faritra Boeny : nisokatra androany ny fanjonona makamba 

0
Nisokatra nanomboka androany ny fotoam-panjonona makamba any amin’ny faritra Boeny. Isany mamono ny tsenan’ny makamba avy eto Madagasikara any amin’ny tsena iraisam-pirenena, ny fangalaran’ireo mpandraharaha manjono mialohan’ny fotoana voatondro.

Fandoavan-ketra eto Madagasikara : hisy fanavaozana

0
Miakatra ny tahan’ny fandoavan-ketra eto Madagasikara saingy tsy mbola mahafa-po . Izay no fanazavan’ny tale jeneralin’ny hetra androany. Maro amin’ireo mpandraharaha no mbola ao anatin’ny tsy ara-dalàna. Hisy ny fanavaozana ho atao raha ny fanazavan’ny minisitry ny toekarena sy ny vola.

JIRAMA sy ny Orinasa mpamatsy herinaratra : tsy maintsy miova ny fifanarahana

0
Tsy maintsy ho vitaina amin'ny herinandro ambony ny fifanarahana vaovao eo amin'ny ministera sy ireo orinasa mpamatsy herinaratra, hoy ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihana nataony teny Ambohimanambola androany. Tsy ekena intsony ny hividianana herinaratra izay tsy nampiasaina akory.

Fanadiovana ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena : zandary maro no naiditra am-ponja

0
Raharaha mahavoasaringotra zandary maro no ahazoana fitarainana eny amin’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka tato anatin’ny herinandro maro. Mitohy manoloana io ny fampiharana ilay hoe “Tolerance zero” na ny tsy fisian’ny fandeferana. Taorian’ny fanadihadiana natao, manodidina ny 10 ireo zandary naiditra am-ponja vonjimaika hatramin’izao.