dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 février 2019

Fanarenana – Fananana iombonana : andaniana hatramin’ny 25 %-n’ ny kitapombolan’ny kaominina

0
Potika hatramin’ny 25 % ny fotodrafitrasa iombonana ho an’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo. Ny tsy fanajana sy ny halatra no anton’ny fahapotehana hoy ny ben’ny tanàna nanovana fanadihadiana. Tafiakatra 5 hatramin’ny 25 % ankilany ny vola mivoaka anatin’ny kitapombolan’ny kaominina hanorenana izany.

Antenimierampirenena : hifarana rahampitso misasakalina ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka

0
Rahampitso 05 Febroary 2019 no tapitra ny fepotoam-piasan’ireo solombavambahoaka. Efa tanteraka ihany koa ny andininy faha 104 ao amin’ny làlampanorenana, ny amin’ny famindrana ny fahefana amin’ny filohan’ny repoblika hanao lalàna mandritra ny fotoana voafetra sy mikasika toe-javatra voafaritra. Teboka maromaro no ilaina fanitsiana ho amin’ny fepotoam-piasana manaraka eo anivon’ity andrimpanjakana ity raha ny fanazavana.

Praiminisitra Ntsay Christian nitondra ny PGE teny amin’ny antenimierampirenena

0
Mizara dimy mazava tsara ny votoatin’ny politikampanjakana ankapobeny izay nentin’ny praiminisitra teo anivon’ny antenimierampirenena androany. Teboka izay enti-mampandroso an’i Madagasikara sy mamaly ny filan’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro sy ny fihariana. Ny eo amin’ny sehatry ny fitantanan-draharhampanjakana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no entina anatin’ity fanadihadiana ity.

Fihotsahan’ny tany teny Ambaninampamarinana : manomboka miala ireo vahoaka

0
Taorian'ny filankevitry ny minisitra nanoloana ny fihotsahan'ny vato izay namoizana ain'olona omaly, niroso tamin'ny fandraisana fepetr avy hatrany ny mpitondra fanjakana. Nafindra ireo mponina ka ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy no niantoka ny toerana, ny ministeran'ny mponina kosa no mandray an-tanana ireo olona nafindra. Nanampy tamin'ny fitaomana entana ny mpitandro filaminana.