samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 février 2019

Antenimierampirenena : tapitra androany ny fotoam-piasan’ireo solombavambahoaka

0
Tapitra androany ny fivoriana tsy ara-potoana natrehin'ireo solombavambahoaka teny aniuvon'ny Antenimierampirenena. Fotoana ihany koa ahataperan'ny fotoam-piasan'izy ireo nandritra izay dimly taona. Maro ny zava-nitranga nandritra izay dimy taona izay indrindra fa ny fandaniana ireo lalàna maro samihafa sy ny fiatrehana ireo toe-javatra nafampana nisy teto amin'ny firenena.

Fanorenana tsy ara-dalàna : manapi-tsofina ny kaominina Antananarivo Renivohitra

0
Tsy hita mazava ny fepetra noraisin’ny kaominina Antananarivo manoloana ny firongatry ny fanorenana tsy ara-dalàna notaterina teo amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Kolo Tv. Mitohy ny asa fanorenana etsy ABOHIJATOVO AMBONY nanaovana fanadihadiana. Mitaky ny hanajana ny rafitra eny ifotony ny Fokontany afahana mandrindra ny fanajariana sy ny fandaminana ny tanànan’Antananarivo.

Loholona maromaro : mangataka ny fametram-pialan’i RAKOTOVAO Rivo

0
Taorian’ny nandanian’ny Loholona ilay lalàna 001-2019 sy ny 002-2019 androany tetsy Anosikely dia nisy ny fivoriana tsy azon’ny rehetra natrehina nataona Loholona maromaro. Fivoriana izay mangataka ny tokony hametrahan’ny filohan’ny Antenimierandoholona RAKOTOVAO Rivo fialana.

IST : tsy mbola nisy ny didy fampitsaharana

0
Manjavozavo tanteraka ny tohin’ny tohin’ny fandràrana hivoaka ny faritry ny repoblikan'i Madagasikara avy amin'ny ministeran'ny atitany sy ny fitsinjarampahefana niantefa tamin’ny olona 4 ny fiantombohan’ny volana Janoary teo. Nilaza androany ny mpampanoa lalàna fa mijanona ho tsiambaratelo hatreto ny tohin’izay.