samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 février 2019

Fahatratrarana andramena tany Singapour : mifoha eny amin’ny fitsarana ny raharaha ankehitriny

0
Mifoha eny anivon'ny Haute Cour de Justice ny raharaha momba ny fanondranana bolabolana andramena antsokosoka izay nataon'ireo tomponandrakitra ambony teto amin'ny firenena tamin'ny fitondrana teo aloha.Bolabolana andramena miisa 30 000, miteti-bidy hatramin'ny 50 tapitrisa dolara tratra tany Singapour.

Zaridainan’Ankorondrano : lasan’olontsotra ny ampahan-tany mirefy 1 470 m2

0
Lasan’olontsotra ny zaridainan’Ankorondrano. Nitazam-potsiny ny kaominina izay tomponandraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny zaridaina eto an-drenivohitra. Isany nanao sonia ny antontan-taratasy niaraka tamin’ny didim-pitsarana momba ny fampivarotana ny zaridaina anefa ny kaominina.

Jirama : mihenjan- droa ny tady eo amin’ny sendika sy ny mpitantana

0
Mitaky ny fialan'ny tale jeneraly eo anivon'ny Jirama ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Manome 48 ora izy ireo amin'izany. Etsy ankilany, nilaza ny tomponandraikitry ny serasera ao amin'ny Jirama fa ny tsy fahazoan' ireo mpiasa tombontsoa manokana no anton'izao fitakiana izao.

Fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Base Toliara ao Atsimo Andrefana : tsy mbola milamina

0
Tonga eto Antananarivo ny solontenan'ireo mponina ao amin'ny foko Masikoro sy vezo any amin'ny faritra Atsimo Andrefana amin'izao fotoana izao, hiaona amin'ny tomponandraikim-panjakana noho ny raharaha Base Toliara. Tsy eken'izy ireo ny fanaovana letrezana hitrandrahana ny tanin'izy ireo.