Accueil 2019 avril

Archives mensuelles: avril 2019

Kandidà ho solombavambahoaka : tokony hanaja ny « toky nomena »

0
Ho famenoana ny fahabangana amin' ny lalana mifehy ny fifidianana, napetraka ny fifanarahana toky nomena hanaraha-maso ny kandida ho solombavambahoaka. Hovitaina mialohan'ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra ho avy izao izany manerana an'i Madagasikara. Niova amin'ny mahazatra izany tamin'ity indray mitoraka ity.

03 Mai : hetsika maro no ho tanterahina manerana ny Nosy

0
Hetsika maro no ho tanterahina amin'ny faha 03 ny volana Mai ho avy izao, fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Hisy ny fandaharana hiraisan'ny haino aman-jery rehetra, ny fanehoan-kevitra am-pahanginana sy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho fanatsarana ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety.

Ankilizato Mahabo : Olom-boafidy teo aloha nosamborina

0
Naiditra am-ponja vonjimaika ilay olom_boafidy teo aloha tany amin'i Distrika Mahabo, voasaringotra tamina raharaha maloto taorian'ny fisavana ny tranony tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Tratra tamin'izany basy miisa 2 sy vola maherin'ny 2 miliara fmg.

VOLAHAINGO Marie Thérèse : Kandida Solombavambahoaka – Bealanana

0
Tratra ny tanjona ary velom-panantenana ny vahoaka any an-toerana hoy ny Kandida isika rehetra miaraka amin'ny Andry RAJOELINA ao amin'ny ditsrikan'i Bealanana, nandritra ny hetsika fampahafantarana ny filatsahan-ko fidiana nataony tao Ambatoriha. Efa miroso ihany koa ny fametrahana fotodrafitrasa sy ny fanamboarana ny lalana mampitaraina ny mponina any an-toerana.

Famporisihina ny tanora ho tia mamaky boky : mbola eo ampitadiavana paikady

0
Tokony hanana ny anajara toerany eo amin’ny fiaraha-monina ny fitiavana vaky boky. Mbola ambany ny tahan’ny famakiam-boky raha eto Madagasikara, indrindra fa ny tanora, antony izay nanaovana hetsika lehibe androany tetsy amin’ny tranobokim-pirenena Anosy, hitadiavam-bahaolana hampitomboana io taha ambany io.

Fitsapa-kevi-bahoaka : ara-dalàna ny fiantsoana mpifidy

0
Tsy mifanohitra na mandika ny lalàna velona rehetra misy eto amin’ny firenena ny fiantsoan’ny Filohan’ny Repoblika fitsapa-kevi-bahoaka ho tontosaina miaraka amin’ny fifidianana Solombavambahoaka amin’ny faha-27 may ho avy izao.

Vatsin’ankohonana : 13,93 tapitrisa dolara ho an’ny taona 2015-2019

0
Fahombiazana no hita tamin’ny tomban’ezaka amin’ny fanampiana ireo fianakaviana tena sahirana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Vatsin’ankohonana sy ny ndao hianatra 2015-2019. Mitentina 13.93 tapitrisa dolara ny vola natokana ho amin’izany novatsian’ny banky iraisampirenena sy ny UNICEF. Ireo mpiara miombona antoka izay naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara.

Alatsinainin’ny Paska : niala voly ny vahoakan’Antananarivo

0
Ankoatra ny fitsangatsanganan'ny mpianakavy karazana fialamboly maro ihany koa no nisy nanodidina ireo toeram-pialam-boly teto Andrenivohitra sy ny manodidina. Fialamboly ho an’ny olontsotra, nampidi-bola ihany koa ho an’ireo mpikarakara.

Mpanao hira gasy an-dalam-be : mahasarik’olona hatrany

0
Na eo aza ireo kilalao sy karazana fialam-boly samihafa eny an-dalam-be , isan'ny mahasarika olona hatrany ireo mpanao hira gasy. Ankoatry ny fanandratana ny kolontsaina maha-malagasy, fotoavana entina hitadiavam-bola ihany koa izany, mitombo ny mpanjifa amin'ny vanim-potoana fety toa izao raha ny fanazavana.

Orinasa Base Toliara : tapitra anio ny « ultimatum » nomen’ny mponina

0
Tapitra omaly ny ultumatum nomen'ireo mponina ao amin'ny faritra Atsimo Andrefana ny orinasa Base Toliara izay manao ny fitrandrahana fasimainty any an-toerana. Manoloana izany, manao antso avo amin' ny fitondram-panjakana ny fiarahamonim-pirenena, andray ny andraikiny, handamina ny toe-draharaha.