mercredi 01 mai 2024
Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Mahtp tanamasoandro

0
Namoaka ny zo sy tombontsoa amin’ny alalan’ny tetikasa tanamasoandro ny fiadidian’ny Repoblika, niarahana tamin’ireo andrimpanjakana samihafa. Samy hisitraka tombontsoa, na ny mponina amin’ireo toerana voakasiky ny tetikasa, na ny vahoaka manontolo, ary handray an-tanana ny fanatanterahana izany ireo minisitera tomponandraikitra.

PRM Antsirabe

0
Tafapetraka androany ny vato fototra ho fanorenana ny toby hamatsiana herinaratra tao Tsaratanana ao anatin’ny faritra Vakinakaratra, nametraka izany tany an-toerana ny filohan’ny repoblikan’I Madagasikara sy ireo minisitra tompon’andraikitra. Toby famatsiana herinaratra azo amin’ny herin’ny masoandro no apetraka amin’ity toerana ity.

Tana-Masoandro

0
Manoloana ny feo hahely fa hoe tsy nanara-dalàna ary tsy nampahafantarina ny vahoaka ny resaka Tana-Masoandro, nidina teny amin’ireo distrika ny mpanao gazety androany nijery ireo affichage izay takian’ny lalàna. Voamarina tamin’ny alalan’izany fa nanara-dalàna tanteraka ny dingana nolalovana mikasika ny Tana-Masoandro, na izany ny fampahafantarana ny vahoaka tamin’ny alalan’ireo peta-drindrina mikasika ny fanadihadiana commodo-incommodo na ny didim-panjakana manambara ny maha"utilité publique" ilay asa fanamboarana ka afahafahana miroso amin'ny expropriation.

Air Madagascar – Air France : nivoaka ny valim-pitsarana

0
Nivoaka omaly ny valim-pitsarana mikasika ny raharaha fitakian’i Air France 46 tapitrisa dolara amin’i Air Madagascar. Miompana amin’ny fifanarahan’i Air Madagascar sy Air France io valim-pitsarana io, izay manambara fa voatazona hatreto ny Clauses ny Annexe H. Nanambara ny hampiakatra sy hijery ny dingana manaraka araky ny lalàna ny Air Madagascar.

Calendrier Scolaire

0
Taom-pianarana 2019 - 2020 : manomboka ny alatsinainy 28 Oktobra Izay no hafatry ny minisitra tomponandraikitra manoloana ny fanomanana ny fidiran'ny mpianatra ho an'ny sekolim-panjakana. Ndeha harahintsika ato anatin'ity fanadihadiana manaraka ity kosa ny andinindininy mahakasika ny "Calendrier Scolaire" 2019 - 2020.

Factuel Ambohitrimanjaka

0
Raharaha Ambohitrimanjaka : olona 9 no voasambotra. Miisa 9 ireo olona voasambotra vokatry ny fandratrana mpitandron’ny filaminana alina teny Ambohitrimanjaka. Mpitandron’ny filaminana izay nanao ny asany no nodarohina mpikarama an’ady. Araho anatin’ity fanadihadiana ity ny fintin’ny zava-nitranga teny Ambohitrimanjaka alina.

Réaction Ambohitrimanjaka

0
Raharaha Ambohitrimanjaka : tsy vahaolana ny fanakorontanana. Nifanesy ny fanehoan-kevitra androany taorian’ny tranga niseho tany Ambohitrimanjaka alina. Amin’ny ankapobeny, tsy tokony hisy ny savorovoro raha ny hevitry ny maro manoloana ny fahavononan’ny fanjakana hifampiresaka.

Fanatanterahana ny tetikasa Tana-Masoandro : mizotra araka ny tokony ho izy

0
Fanoherana mandrava sy misakana ny fampandrosoana tanterahina eto amin’ny firenena no ataon’ny Solombavambahoaka TIM amin’izao fotoana izao hoy ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy. Maro amin’ireo tompon’ny tany voakasiky ny tetikasa Tana-Masoandro no manaiky hanolotra ny taniny ho an’ny fanjakana raha ny fanazavana.

« Fihariana » : niampy 120 lavitrisa ny vola hamatsiana ny tetikasa

0
Vola mitentina 120 lavitrisa Ariary indray androany no natokan’ny banky mpiara miombon’antoka amin’ny fitondram-panjakana hamatsiana ny tetikasa Fihariana. Hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny fananaterahana ny tetikasa ny fanohanana toy izao.

Tetikasa Tana-Masoandro : naneho ny heviny ireo solombavambahoaka

0
Manoloana ny feo mandeha amin'izao fotoana manoloana ny tetikasa Tanamasoandro, naneho ny heviny ihany koa Solombavambahoaka androany. Tombontsoa ho an'ny be sy ny maro ny fahavitan'ny tetikasa. Tsy ho an'ny eto Antananarivo ihany, fa ho an'i Madagasikara iray manontolo.