Accueil 2020 mars

Archives mensuelles: mars 2020

Covid-19 : misy tsy manaja ny toromarika hisorohana ny valan’aretina

0
Mbola maro amin’ny mponina eny anivon’ny fokontany no tsy manaraka ny fepetra sy ny toromarika hifehezana ny mety ho fihanaky ny Covid-19. Lohalaharana amin’izany ny fanajana ny elanelana 1 metatra na izany eny antsena na amin’ny sehatra maro. Namafisina arak’izany ny fanentana eny ifotony ka sefom-pokontany 34 ao anatin’ny boriboritany faha-3 no nahazo fiofanana androany.

« Centre de Commandement Opérationnel Covid 19 » : manana ny fomba fiasany manokana

0
Samy manana ny fomba fiasany manokana ireo « Cellule miisa 6 » etsy amin’ny « Centre de Commandement Opérationnel Covid 19 » etsy amin’ny Mining Business Center Ivato. Hatramin’ny 12 ora antoandro teo, miisa 19 ireo mitondra ny tsimok’aretina amin’izao fotoana izao.

Taom-baovao Malagasy : hankalazaina ny 24 sy 25 Martsa 2020

0
Androany faha 24 sy rahampitso 25 Martsa 2020 no ankalazaina ny taom-baovao Malagasy. Noho ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus samy mankalaza izany any an-tranony ny tsirairay avy.

Mpitandro filaminana : hentitra amin’ny fampiharana ny baikon’ny Filohampirenena

0
Hentitra tamin’ny fampiharana ny baiko sy ny toromarika nomen’ny Filohampirenena alina ny teo anivon’ny mpitandron’ny filaminana. Mijanona ireo taksibe sy taxi, arahi-maso ny fifamezivezen’ireo fiaran’olon-tsotra, entanina ny olompirenena.

« Centre opérationnel de commandement » : tafapetraka eny Ivato

0
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy androany teny Ivato ny « centre opérationnel de commendement », ivon-toerana mandray andraikitra mivantana mahakasika ny ady atao amin’ny COVID-19. Hampiasaina ihany koa ny village voara etsy Andohotapenaka raha mitombo ireo olona voan’ity valan’aretina ity hoy ny filoha. Hamafisina hatrany ny ady atao amin’ity valan’aretina hoy ny filoha.

Fisorohana ny Covid-19 : maro ny mampiasa tampim-bava vita amin’ny lamba

0
Nitombo ny olona mampiasa tampim-bava taorian’ny fanambarana nifanesy momba ny Covid-19 nataon’ny filohan’ny repoblika. Saika ahitana izany avokoa na izany eny andalana, eny antsena sy ny marohafa. Maro amin’izay ny tampim-bava namboarina vita amin’ny lamba. Manomboka amin’ny fanamboarana azy, ny fepetra sy ny toromarika amin’ny fampiasana ny tampim-bava. Izay indray no arahinao anatin’ity fanadihadiana manaraka ity.

Kininim-potsy sy mandrava-sarotra : betsaka no lasa mivarotra azy eny an-tsena

0
Fa nitombo ireo mivarotra kininim-potsy sy mandrava-sarotra ankehitriny. Fianakaviana iray lasa mivelona amin’ny famarotana izany nanomboka ny Sabotsy lasa teo no arahintsika ato anatin’ity fanadihadiana manaraka ity. Mahalafo 1 gony fara-faha keliny isan’andro izy ireo raha ny fanazavana.

Tsenam-pokontany : voahaja ny ora napetraky ny Filoham-pirenena

0
Andro voalohany taorian’ny fanambaran’ny filoham-pirenena mikasika ireo tsenam-pokontany. Saika voahaja avokoa ny ora fisokafana sy fidin’izy ireo. Nanaja izany na ny mpivarotra na ny mpividy. Etsy ankilany, nanomboka androany ihany koa ny tsena mora isaky ny fokontany raha ny teto Antananarivo renivohitra.

Indostria eto Madagasikara : andrasan’ny mpisehatra ny fanatsarana azy

0
Maherin’ny 60 amin’ny isa 100 avokoa ny naoty azon’i Madagsikara tamin’ny alalan’ny Barometre de l’industrialisation andiany faha-4, nivoaka androany. Mbola maro ireo ezaka andrasana amin’ny fanatsarana ny toekarena ankapobeny, indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria, araky ny fanadihadiana notontosain’ny Alliance pour l’industrialisation durable.

Antananarivo renivohitra : niroso tamin’ny fanesorana ieo fiara maty amoron-dalana

0
Nanomboka androany ny fanesorana ireo fiara maty mitarika fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra. Efa nisy fampahafantarana natao, efa nisy ihany koa ny taratasy napetraka tamin’ireny fiara ireny hoy ny tomponandraikitra vao miroso amin’izao fampidirana fourrière izao.