vendredi 17 mai 2024
Accueil 2020 mars

Archives mensuelles: mars 2020

Fanaraha-maso ny vidim-bary : sarona ny mpamongady mpanao « rétention de stock »

0
Nitohy teny amin’ny Tsenan’Ambodivona androany ny fanaraha-maso ny vidim-bary ataon’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria. Nandraisana fepetra hentitra avy hatrany ny mpamongady tompon’antoka amin’ny fampiakarana ny vidim-bary indrindra ny fanaovana ny RETENTION DE STOCK.

SIRAMA : mpiasa iray namoahan’ny BIANCO « Avis de recherche »

0
Tomponandraikitra teo aloha maromaro teo anivon’ny SIRAMA no fantatra fa anaovan’ny BIANCO fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Herinandro vitsivitsy lasa, Ramatoa 1 niasa teo amin’ny SIRAMA taloha no nanaovan’ny Bianco avis de recherche. Tsy misoratra mazava amin’ny fitadiavana hatreto ny anton’ny fikarohana azy.

Fanazavana momba ny Covid 19: tafiakatra 23.000 ny antso voaray

0
Hatramin’ny nanombohan’ny laharana maintso 910 handraisana fanazavana mahakasika ny valan’aretina Coronavirus tafakatra hatramin’ny 23.000 ny antso voaray hatramin’izao amin’ny fangatahana fanazavana. Hisy ny fanatsarana ny fomba fiasa mahakasika izany ary ho ampitomboina ny isan’ny mpandray antso raha ny fanazavana.

Covid-19 : mpandeha 238 avy amin’ny sidina Air France no tonga alina

0
Mialohan’ny hiaton’ny sidina rehetra mifampitohy amin’i Madagasikara ny zoma izao, mitohy ny fahatongavan’ireo mpandeha mody eto amintsika. Mpandeha 238 avy amin’ny sidina Air France no tonga alina tao amin’ny seranampiaramanidina Ivato. Mizotra araky ny tokony ho izy ny diungana fisorohona rehetra. Nidina ifotony teny an-toerana ireo minisitra tomponandraikitra tamin’izany.

Fampiakarana vidin’entana tsy ara-dalàna : maro ny tsena nakatona

0
Niroso tamin’ny fanakatonana ireo tsena tsy ara-dalàna sy tompon’antoka tamin’ny fampiakarana ny vidin’entana teto andrenivohitra ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria. Izay ny vokatry ny fidinana ifotony niarahana tamin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka androany. 

Famatsiam-bolan’ny fiainana ara-politika : entanina ireo olom-boafidy hanao ny tatitra

0
Entanina hatrany ireo olom-boafidy tsirairay avy hanao ny tatitra mahakasika ny fandaniana natoan’izy ireo nandritra ny fifidianana. Tsy misy fanasaziana apetraky ny lalàna ho an’ireo izay tsy mahatanteraka izany saingy zava-dehibe izany amin’ny maha tany tan-dalàna sy tany Demokratika an’i Madagasikara. 

Raharaha RAOUL : mitohy ny fanadihadiana

0
  Manoloana ny raharaha Raoul Arizaka RABEKOTO, niaktra fitsarana androany ny zanany sy ilay mpamily nitondra azy nandritra ny fitsoahany an’i Madagasikara. Ny faha 24 ny volana Martsa izao no hivoka ny didim-pitsarana mahakasika izany.

PPN : manana tahiry hatramin’ny enim-bolana i Madagasikara

0
Ao anatin’ny fiatrehana ny otrik’aretina Coronavirus, ampy hiatrehana ny filana anatin’ny 4 hatramin’ny 6 volana ny tahirina PPN ananan’i Madagasikara. Mbola tsy tokony hisy arak’izany ny fiakaran’ny vidin’entana eny antsena ankehitriny, hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny indostria, ny varotra sy ny asa tanana. Hamafisina ny fitsirihina ary tsy maintsy hampiharina ny sazy raha ny fanazavana.

Fisorohana ny « Coronavirus » : fepetra hentitra no avokan’ny governemanta anio

0
Handray fanapahan-kevitra fanampiny mahakasika ny fisorohana ny fidiran’ilay valan’aretina coronavirus eto Madagasikara ny mpikambana ao anatin’ny governemanta anio, io no nivoitra ny hariva teo tetsy Ambohitsirohitra. Manomboka ny zoma izao foana avokoa ny sidina rehetra eto Madagasikara.

Tetikasa Bas Mangoky : hatao laharam-pahamehana ireo mponina any an-toerana

0
Manoloana ny tetikasa Bas Mangoky, hatao laharam-pahamehana ireo mponina any an-toerana hoy ny minisitra tomponandraikitra vao miroso amin’ny fampidirana ireo vahiny hamokatra. Hisy araka izany ny fananganana ny BIF na ny Birao Ifotony ny Fananan-tany, mialohan’ny volana Jona ho avy izao, hisatrahan’ny vahoaka ny taniny.