dimanche 19 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2020

Nosy sambatra : havadiky ny frantsay ho « réserve naturelle » tsy ho ela

0
Havadiky ny Frantsay ho « réserve naturelle » tsy ho ela ny Nosy Sambatra na ny Iles Glorieuses izay tafifitra ao anatin’ireo Nosy Malagasy miisa 05 takiana ny hiverenany amintsika. Tranga izay namerina ao an-tsain’ny Malagasy indray ny fitakiana ireo nosy ireo. Aiza ho aiza isika amin’izao fotoana, inona no mety ho tohin’ny fitakiana taorian’ny fihaonana sy ny fakana hevitra teny amin’ny CCI Ivato ny volana desambra lasa teo.

CENI : misedra olana amin’ny famaranana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana

0
Misedra olana amin’ny famaranana ny lisi-pifidianana ny CENI raha ny nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ity vaomiera ity. Nahitana fahasarotana ihany koa ankilany ny fampiakarana ireo lisitra vaovao avy eny ifotony. Ny fisian’ny valan’aretina coronavirus no antony iray lehibe nahatonga izany raha ny fanazavana.

FAKANA AN-KERINY : maty i Lama sy ny zandriny

0
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana nandritra ny velapandrika mati-paika androanyi I LAMA sy ny zandriny izay atidoha nikotrika ny fakana an-keriny an’i Anil KARIM ny 27 Aprily lasa teo. Olona 3 no naiditra am-poja avy hatrany izay niraitsikombakomba taminy.

Covid-19 : tsy mampiasa « désinfectant » ny ankamaroan’ny Taxibe

0
Nihen-danja ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana hifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19 raha ny hita eny amin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Tsy mampiasa « Désinfectant » ny ankamaroany ary misy ny miverina manao taingim-be sy tsy manaja ny elanelana napetraka. Manahy manoloana io ny mpandeha ary mitaky fandraisan’andraikitra avy hatrany.

Tazomoka: olona 80 no maty any Betroka

0
Mandripaka ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny tazomoka. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, olona 80 mahery no fantatra fa matin’ny tazomoka any Betroka. Ny tsy fampiasana ny lay araky ny tokony ho izy no anton’izany raha ny nambaran’ny solombavambahoakan’I Betroka. Antony iray tsy ahafahan’I Madagasikara ny tazomoka ny fahamafisan-dohan’ny vahoaka raha ny nambaran’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana.

CUA : niroso tamin’ny fanakatonana ny tsena sy ny fanesorana ireo box tsy ara-dalàna

0
Niroso teo amin’ny fanakatonana ny tsena isaky herinandro ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra androany. Nanombohana izany ny teny amin’ny tsena Andavoahangy. Ankoatr’izay, niroso tamin’ny fanesorana ireo box tsy ara-dalàna ihany koa ny Kaominina taorian’ny fampiantsoana sy ny fampahafantarana natao ny tompon’izy ireny. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny ady atao amin’ny Coronavirus sy ny fampanarahana lalàna.

Fitetezana an’i Madagasikara : niditra an’Antananarivo androany i Zoto Mianakavy

0
Androany no niditra an’Antananarivo i Zoto Mianakavy. Olona 5 mianaka mitety an’i Madagasikara amin’ny dia an-tongotra sy kodiaran-droa. Nanomboka ny volana Aogositra 2019 izy ireo no niainga tany Antsiranana nihazo an’i Toamasina hatrany Taolagnaro. Nihazo an’i Toliara sy Morondava sy Fianarantsoa avy eo, mialohan’ny niakarana aty Antananarivo. Aorian’Antananarivo hihazo an’i Mahajanga izy ireo.

Fanotofana tany tsy ara-dalàna : maro ireo tranga tato ho ato

0
Manararaotra ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, maro ireo trangana fanotofa-tany tsy ara-dalàna toy ny eny amin’ny voie rapide Anohatapenaka mihazo ny sampanana Ambohitrimanjaka. Nidina teny an-toerana ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Loholon’i Madagasikara : manohana ny tambavy CVO amin’ny fitsaboana ny Covid-19

0
Nankasitraka ny ezaky ny fitondram-panjakana sy ny mpisehatra isan-tokony amin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 ny Loholon’i Madagasikara. Izay no nivoitra nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo androany teny Anosy. Isany tohanan’izy ireo hatramin’ny farany ny tambavy CVO na ny COVID ORGANICS izay novokarin’ny Firenena ary ampiasaina amin’ny fisorohana sy ny fitsaboana ny valan’aretina.  

Comores : tonga any an-toerana ny CVO ho azy ireo

0
Androany no niaingy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny masoivohon’i Comores monina sy miasa eto Madagasikara nanatitra ny CVO ho an’ny vahoaka komorianina, CVO izay fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy. Ny maha zava-dehibe ny firahalahiana eo amin’ny firenena roa tonta no tanjona amin’ny fanampiana tahakaraha ny fanazavana.