mercredi 08 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2020

Solontenan’ny Antenimierampirenena eny amin’ny CENI : ho fantatra tsy ho ela

0
Ho fantatra ao anatin’ity fivoriana ara-potoan’ny antenimierampirenena ity ny mpikambana izay hisolotena azy ireo eny anivon’ny CENI taorian’ny fametraham-pialan’i Thierry RAKOTONARIVO tsy ho mpikamabana intsony. Fepetra maomaro no takiana ho an’ireo izay hirotsaka hofidiana ami’izany raha ny nambaran’ny solombavambahoaka.

RAJOELINA Andry : nanamafy fa mandaitra ny Covid Organics

0
Tsy ny Covid-Organics no olana fa ilay hoe i Afrika no nahita ny fanefitra amin’ny Coronavirus. Io raha fehezina ny nambaran’i Filohan’ny Repoblika Malagasy, nandritry ny resaka notontosainy tamin’ny France24 sy RFI. Namafisiny fa ity tambavy ity no nahasitrana ny ampahany betsaka ny mararin’ny Covid-19 eto Madagasikara. Mikasika ny Iles Eparses izay nasian-teny nandritra io tafa io, hentitra ny tenin’ny Filoha, nambarany fa ny famerenana ireo Nosy Malagasy ireo no takiana ankehitriny.

Andrebakely : olona 06 nangalatra vanille no sarona

0
Mpangalatra vanille miisa 06 tao amin’ny Kaominina Andrebakely avaratra, Distrikan’Amparafaravola no saron’ny andrimasom-pokonolona ka niakatra fampanoavana androany. Taorian'ny fakana am-bavany, miisa 05 ireo naiditra am-ponja, ny 1 kosa nahazo fahafahana vonjy maika miandry ny fitsarana azy ireo.

Coronavirus : miisa 02 ireo toerana fitiliana izany eto Madagasikara

0
Toerana 02 samy hafa no hanatontosana ny fitiliana ny valan’aretina coronavirus eto Madagasikara isan’ny amin’izany ny IPM na ny Institut Pasteur de Madagascar eo ihany koa ny CICM na ny Centre d'Infectiologie Charles Mérieux. Mitovy ny sehatra ara-teknika hanaovan’izy ireo ny fitiliana ny covid-19 ary miara-miasa akaiky  amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izy amin’ny fanatanterahina izay. 

Coronavirus : maherin’ny 4 tapitrisa ireo namoy ny ainy maneran-tany hatreto

0
Manodidina ny 80 000 no maty hatramin’ny androany any Etazonia nohon’ny Coronavirus, maherin’ny 1 tapitrisa no mitondra ny tsimokaretina. Izy no firenena manana taham-pahafatesana ambony indrindra hatreto. Tsy mitsaha-mirongana ny fipariahan’ny valan’aretina, hatreto,  maherin’ny 4 tapitrisa no tratry ny covid-19 manerantany. 

Manainga Zipo : ho vita ao anatin’ny fe-potoana nifanarahana

0
Ho vita ao anatin’ny 4-bolana araka ny fe-potoana nifanarahana ny fanamboarana ao Manainga zipo, lalam-pirenena faha -44. Ankoatra izay, mizotra an-tsakany sy an-davany ihany koa ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa hafa rehetra nampanantenain’ny filoha ho an’ny faritra Alaotra. Isan’izany ny Kianja sy ny EPP manara-penitra.

Mpasana lamba : nihena hatramin’ny 70% ny karama azo

0
Nihena 50 hatramin’ny 70 isan-jato ny karama azo ka iainan’ireo mponina mivelona amin’ny fanasa lamba amin’ny fianinana andavan’andro amin’izao fotoana izao raha ny fanadihadiana natao. Ny fahatahoran’ireo mpanakarama ny valan’aretina coronavirus sy ny tsy fisian’ny vola miditra aminy no antony nahatonga izany raha ny fanazavana.

Andohavato – Tanjombato : manjaka ny sinto-mahery sy ny fanendahana

0
Niverina nahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny kaominina Tanjombato. Isany nitombo vokatry ny fahasahiranana ateraky ny toe-draharaha ankehitriny ny hala-botry sy ny sinto mahery. Eo ihany koa ny vaky trano miaro fanolanana sy ny marohafa, izay mbola tsy voafehy araka ny tokony ho izy.

MAHAJANGA : miakatra hatrany ny isan’ireo olona voan’ny Dengue

0
Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona voan’ny valan’aretina Dengue any Mahajanga amin’izao fotoana izao araka ny antontan’isa avy amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fahasalamana. Nanomboka ny alarobia lasa teo hatramin’ny omaly, nahatratra 223 indray ireo olona voamarina fa mararin’ny Dengue.

Maintirano : olona sahirana mihoatry ny 200 no nomena fanampiana

0
Amin’izao volan’ny Ramadan izao, Ray aman-dreny sahirana mihoatry ny 200 no nahazo fanampiana avy amin’ny malala-tanana ao Maintirano, Faritra Melaky. Tsy ireo mpino silamo ihany, nomena avokoa ireo sahirana rehetra ao amin’ny fokontany miisa 02 ao an-toerana.