samedi 27 avril 2024
Accueil 2021 décembre

Archives mensuelles: décembre 2021

Raharaha apollo 21: nitohy androany ny fitsarana ireo 20 mianadahy voarohirohy

0
Nitohy androany teny amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy ny fakana ambava ireo 20 mianadahy voarohirohy amin'ny raharaha fikasana hamono ny filoham-pirenena na ny apollo 21. Androany no niroso taminy fanadiadiana lanina ireo voarohirohy ny mpitsara ny eo aminy fitsarana heloka bé Vava tsotra  ka i RAFANOHARANA Paul no nanomboka izany. Tsy ampy ny porofo netin’ny mpitory ireo voapanga ary tsy manaraka ny lalany ny nisamborana ireo olona voarohirohy ireo hoy ny mpisolo vava.

Vaksiny Johnson&Johnson : daozy 336 000 fanampiny nomen’i Etazonia ho an’i Madagasikara

0
Fanampina vaksiny Johnson&Johnson miisa 336 000 androany no natolotry ny firenena Amerikanina ho an’ny Madagasikara tafiditra ao anaty ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19. Tanjona ny , hanalefahana ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny lafin’ny ara-tsosialy sy ara-toekarena, eo koa ny fanamafisana ny fanetanana amin’ny fanaovam-baksiny ho an’ny mponina.  

Faritra arovana : tsy hisy intsony afaka 15 taona raha ny fanimbana ankehitriny no mitohy

0
Tsy hisy faritra arovana intsony eto Madagasikara afaka 15 taona raha ny fanimbana ankehitriny no mitohy hoy ny manam-pahaizana momba ny tontolo iainana. Famotehana izay vokatry ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarena lalim-paka raha ny fanehon-keviny ka tokony andraisam-bahaolana aingana.

IFM : nivarotra boky 5 000Ar ny 1kg androany

0
Mitombo ny tanora liana amin’ny famakiana boky eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Sakana tsy hiroboroboany anefa ny sarany ambony. Ahafahan’ny rehetra manjifa boky amin’ny vidiny mirary, mialohan’ny hahatongavan’ny boky vaovao maro indray, nikarakara varotra boky 5 000ar ny 1 kilao ny IFM androany. 

Fihaonan’ny governemanta sy ny solombavambahoaka : nahazoana fitarainana betsaka ny vidim-piainana

0
Maro ny teboka nahazoana fitarainana sy tsikera mivaivay avy amin’ny solombavambahoaka nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny mpikamban’ny governemanta androany. Lohalaharana ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fitaovana fampiasa amin’ny fananganana fotodrafitrasa samihafa. Teo ihany koa ny lafiny famatsiana jiro sy rano izay mila hitondran’ny fitondram-panjakana vahaolana haingana raha ny tatitry ny solombavambahoaka hatrany.

Raharaham-panjakana : vaky bantsilany ny ady eo amin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny misahana ny fandrakofana ala

0
Manoloana ny tsy fitovian’ny tadin-dokanga eo amin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ny ala eo anivon’ity minisitera ity, nanamafy androany ny minisitra BAOMIHAVOTSE Vahinala fa mila manaja ny sata repoblikana sy ny antanatohatra na ny Organigramme hiérarchique ny rehetra raha tiana ny hisian’ny fampandrosoana. Tsy ekena ihany koa ny fanakantsakanana amin’ny endriny maro ny famoahana ny teti-bola hampandehanana ny asa eo anivon’ny minisitera amin’ny maha departemanta tokana izany.

Mpisehatra amin’ny fizahantany : miantso ny tokony hanaovan’ny rehetra vaksiny

0
Manahy ny ho fiantraikan’ny firongatry ny valan’aretina Covid-19 indray amin’izao fotoana izao ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, taorian’ny fepetra fanakatonana ny sisin-tany amin’i Afrika Atsimo. Niantso ny tokony hampitomboana ny hetsika fanentanana ny rehetra hanao vaksiny ireo mpiseradia  mba ahafahana miatrika ny valan’aretina sy ny krizy ara-toekarena aterak’izay. Saika tsy mbola tafarina nohon’ny fatiantoka tamin’ny fikatonan’ny sisin-tany ireny ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao.

Kaominina Ankadinandriana – Avaradrano : miparitaka ny aretin’omby

0
Voan’ny aretim-pivalanana ny 70 hatramin’ny 80% ny omby ao amin’ny Kaominina Ankadinandriana distrikan’Avaradrano tao anatin’ny herinandro, ary 03 no maty. Hatreto tsy fantatra mazava ny niandohan’ny aretina ary efa miparitaka amin’ireo kaominina manodidina ny aretina.

Anosizato andrefana : tsy manana toerana hanariana ny fako ny kaominina

0
Mivangongo ny fako etsy Ampefiloha anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana. Raha ny fanadihadiana natao, manomboka tsy voafehy intsony ny momba io ary betsaka ny mivarina ny ranon’Ikopa. Efa nampiato ny fanariam-pako eny an-toerana ny kaominina saingy mampametra-panontaniana  ny fampiharana azy noho ny tsy fananan’ny kaominina toerana voatokana amin’izay fanariam-pako izay hatreto.

VIH SIDA : mitombo hatrany ny olona mitondra ny tsimok’aretina nanomboka ny taona 2019

0
Mbola latsaky ny 1% ny  tahan’ny mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, saingy mampanahy ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny   SIDA ny fitombon’ny olona voatily ka mitondra ny tsimok’aretina tato antin’ny telo taona farany. Raha ny fanazavana, tsikaritra fa miha tanora ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina ankehitriny.